James 1

作 神和主耶稣基督仆人的雅各请散住十二个支派之人的安。
Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
我的弟兄们,你们落在百般试炼中,都要以为大喜乐;
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
因为知道你们的信心经过试验,就生忍耐。
satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
但忍耐也当成功,使你们成全、完备,毫无缺欠。
Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
你们中间若有缺少智慧的,应当求那厚赐与众人、也不斥责人的 神,主就必赐给他。
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
只要凭著信心求,一点不疑惑;因为那疑惑的人,就像海中的波浪,被风吹动翻腾。
Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
这样的人不要想从主那里得什么。
Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
心怀二意的人,在他一切所行的路上都没有定见。
olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
卑微的弟兄升高,就该喜乐;
Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
富足的降卑,也该如此;因为他必要过去,如同草上的花一样。
fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
太阳出来,热风刮起,草就枯干,花也凋谢,美容就消没了;那富足的人,在他所行的事上也要这样衰残。
Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
忍受试探的人是有福的,因为他经过试验以后,必得生命的冠冕;这是主应许给那些爱他之人的。
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
人被试探,不可说:「我是被 神试探」;因为 神不能被恶试探,他也不试探人。
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
但各人被试探,乃是被自己的私欲牵引诱惑的。
fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
私欲既怀了胎,就生出罪来;罪既长成,就生出死来。
Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
我亲爱的弟兄们,不要看错了。
Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
各样美善的恩赐和各样全备的赏赐都是从上头来的,从众光之父那里降下来的;在他并没有改变,也没有转动的影儿。
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
他按自己的旨意,用真道生了我们,叫我们在他所造的万物中好像初熟的果子。
Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
我亲爱的弟兄们,这是你们所知道的,但你们各人要快快的听,慢慢的说,慢慢的动怒,
Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
因为人的怒气并不成就 神的义。
fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
所以,你们要脱去一切的污秽和盈余的邪恶,存温柔的心领受那所栽种的道,就是能救你们灵魂的道。
Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
只是你们要行道,不要单单听道,自己欺哄自己。
Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
因为听道而不行道的,就像人对著镜子看自己本来的面目,
Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;
看见,走后,随即忘了他的相貌如何。
fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
惟有详细察看那全备、使人自由之律法的,并且时常如此,这人既不是听了就忘,乃是实在行出来,就在他所行的事上必然得福。
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
若有人自以为虔诚,却不勒住他的舌头,反欺哄自己的心,这人的虔诚是虚的。
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
在 神我们的父面前,那清洁没有玷污的虔诚,就是看顾在患难中的孤儿寡妇,并且保守自己不沾染世俗。
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.