Isaiah 65

素来没有访问我的,现在求问我;没有寻找我的,我叫他们遇见;没有称为我名下的,我对他们说:我在这里!我在这里!
Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
我整天伸手招呼那悖逆的百姓;他们随自己的意念行不善之道。
Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
这百姓时常当面惹我发怒;在园中献祭,在坛(原文是砖)上烧香;
Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
在坟墓间坐著,在隐密处住宿,吃猪肉;他们器皿中有可憎之物做的汤;
Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
且对人说:你站开吧!不要挨近我,因为我比你圣洁。主说:这些人是我鼻中的烟,是整天烧著的火。
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
看哪,这都写在我面前。我必不静默,必施行报应,必将你们的罪孽和你们列祖的罪孽,就是在山上烧香,在冈上亵渎我的罪孽,一同报应在他们后人怀中,我先要把他们所行的量给他们;这是耶和华说的。
Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
并入上节
Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
耶和华如此说:葡萄中寻得新酒,人就说:不要毁坏,因为福在其中。我因我仆人的缘故也必照样而行,不将他们全然毁灭。
Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
我必从雅各中领出后裔,从犹大中领出承受我众山的。我的选民必承受;我的仆人要在那里居住。
Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
沙崙平原必成为羊群的圈;亚割谷必成为牛群躺卧之处,都为寻求我的民所得。
Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
但你们这些离弃耶和华、忘记我的圣山、给时运摆筵席(原文是桌子)、给天命盛满调和酒的,
Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny,
我要命定你们归在刀下,都必屈身被杀;因为我呼唤,你们没有答应;我说话,你们没有听从;反倒行我眼中看为恶的,拣选我所不喜悦的。
Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
所以,主耶和华如此说:我的仆人必得吃,你们却饥饿;我的仆人必得喝,你们却干渴;我的仆人必欢喜,你们却蒙羞。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
我的仆人因心中高兴欢呼,你们却因心中忧愁哀哭,又因心里忧伤哀号。
Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
你们必留下自己的名,为我选民指著赌咒。主耶和华必杀你们,另起别名称呼他的仆人。
Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
这样,在地上为自己求福的,必凭真实的 神求福;在地上起誓的,必指真实的 神起誓。因为,从前的患难已经忘记,也从我眼前隐藏了。
Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko.
看哪!我造新天新地;从前的事不再被记念,也不再追想。
Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
你们当因我所造的永远欢喜快乐;因我造耶路撒冷为人所喜,造其中的居民为人所乐。
Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
我必因耶路撒冷欢喜,因我的百姓快乐;其中必不再听见哭泣的声音和哀号的声音。
Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
其中必没有数日夭亡的婴孩,也没有寿数不满的老者;因为百岁死的仍算孩童,有百岁死的罪人算被咒诅。
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.
他们要建造房屋,自己居住;栽种葡萄园,吃其中的果子。
Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
他们建造的,别人不得住;他们栽种的,别人不得吃;因为我民的日子必像树木的日子;我选民亲手劳碌得来的必长久享用。
Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
他们必不徒然劳碌,所生产的,也不遭灾害,因为都是蒙耶和华赐福的后裔;他们的子孙也是如此。
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.
他们尚未求告,我就应允;正说话的时候,我就垂听。
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
豺狼必与羊羔同食;狮子必吃草与牛一样;尘土必作蛇的食物。在我圣山的遍处,这一切都不伤人,不害物。这是耶和华说的。
Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.