Isaiah 64

愿你裂天而降;愿山在你面前震动─
Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
好像火烧干柴,又像火将水烧开,使你敌人知道你的名,使列国在你面前发颤!
Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.
你曾行我们不能逆料可畏的事。那时你降临,山岭在你面前震动。
Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao.
从古以来,人未曾听见、未曾耳闻、未曾眼见在你以外有什么神为等候他的人行事。
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
你迎接那欢喜行义、记念你道的人;你曾发怒,我们仍犯罪;这景况已久,我们还能得救吗?
Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
我们都像不洁净的人;所有的义都像污秽的衣服。我们都像叶子渐渐枯干;我们的罪孽好像风把我们吹去。
Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
并且无人求告你的名;无人奋力抓住你。原来你掩面不顾我们,使我们因罪孽消化。
Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.
耶和华啊,现在你仍是我们的父!我们是泥,你是窑匠;我们都是你手的工作。
Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
耶和华啊,求你不要大发震怒,也不要永远记念罪孽。求你垂顾我们,我们都是你的百姓。
Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
你的圣邑变为旷野。锡安变为旷野;耶路撒冷成为荒场。
Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
我们圣洁华美的殿─就是我们列祖讚美你的所在被火焚烧;我们所羨慕的美地尽都荒废。
Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
耶和华啊,有这些事,你还忍得住吗?你仍静默使我们深受苦难吗?