Isaiah 57

义人死亡,无人放在心上;虔诚人被收去,无人思念。这义人被收去是免了将来的祸患;
Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo.
他们得享(原文是进入)平安。素行正直的,各人在坟里(原文是床上)安歇。
Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
你们这些巫婆的儿子,奸夫和妓女的种子,都要前来!
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
你们向谁戏笑?向谁张口吐舌呢?你们岂不是悖逆的儿女,虚谎的种类呢?
Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
你们在橡树中间,在各青翠树下欲火攻心;在山谷间,在石穴下杀了儿女;
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato.
在谷中光滑石头里有你的分。这些就是你所得的分;你也向他浇了奠祭,献了供物,因这事我岂能容忍吗?
Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
你在高而又高的山上安设床榻,也上那里去献祭。
Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
你在门后,在门框后,立起你的纪念;向外人赤露,又上去扩张床榻,与他们立约;你在那里看见他们的床就甚喜爱。
Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
你把油带到王那里,又多加香料,打发使者往远方去,自卑自贱直到阴间,
Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao.
你因路远疲倦,却不说这是枉然;你以为有复兴之力,所以不觉疲惫。
Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
你怕谁?因谁恐惧?竟说谎,不记念我,又不将这事放在心上。我不是许久闭口不言,你仍不怕我吗?
Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
我要指明你的公义;至于你所行的都必与你无益。
Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
你哀求的时候,让你所聚集的拯救你吧!风要把他们刮散,一口气要把他们都吹去。但那投靠我的必得地土,必承受我的圣山为业。
Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
耶和华要说:你们修筑修筑,预备道路,将绊脚石从我百姓的路中除掉。
Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
因为那至高至上、永远长存(原文是住在永远)、名为圣者的如此说:我住在至高至圣的所在,也与心灵痛悔谦卑的人同居;要使谦卑人的灵甦醒,也使痛悔人的心甦醒。
Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
我必不永远相争,也不长久发怒,恐怕我所造的人与灵性都必发昏。
Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
因他贪婪的罪孽,我就发怒击打他;我向他掩面发怒,他却仍然随心背道。
Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
我看见他所行的道,也要医治他;又要引导他,使他和那一同伤心的人再得安慰。
Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
我造就嘴唇的果子;愿平安康泰归与远处的人,也归与近处的人;并且我要医治他。这是耶和华说的。
Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
惟独恶人,好像翻腾的海,不得平静;其中的水常涌出污秽和淤泥来。
Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
我的 神说:恶人必不得平安!
Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.