Isaiah 51

你们这追求公义、寻求耶和华的,当听我言!你们要追想被凿而出的磐石,被挖而出的巖穴。
Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
要追想你们的祖宗亚伯拉罕和生养你们的撒拉;因为亚伯拉罕独自一人的时候,我选召他,赐福与他,使他人数增多。
Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
耶和华已经安慰锡安和锡安一切的荒场,使旷野像伊甸,使沙漠像耶和华的园囿;在其中必有欢喜、快乐、感谢,和歌唱的声音。
Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
我的百姓啊,要向我留心;我的国民哪,要向我侧耳;因为训诲必从我而出;我必坚定我的公理为万民之光。
Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
我的公义临近;我的救恩发出。我的膀臂要审判万民;海岛都要等候我,倚赖我的膀臂。
Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
你们要向天举目,观看下地;因为天必像烟云消散,地必如衣服渐渐旧了;其上的居民也要如此死亡(如此死亡:或译像蠓虫死亡)。惟有我的救恩永远长存;我的公义也不废掉。
Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
知道公义、将我训诲存在心中的民,要听我言!不要怕人的辱骂,也不要因人的毁谤惊惶。
Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
因为蛀虫必咬他们,好像咬衣服;虫子必咬他们,如同咬羊绒。惟有我的公义永远长存,我的救恩直到万代。
Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
耶和华的膀臂啊,兴起!兴起!以能力为衣穿上,像古时的年日、上古的世代兴起一样。从前砍碎拉哈伯、刺透大鱼的,不是你吗?
Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
使海与深渊的水干涸、使海的深处变为赎民经过之路的,不是你吗?
Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
耶和华救赎的民必归回,歌唱来到锡安;永乐必归到他们的头上。他们必得著欢喜快乐;忧愁叹息尽都逃避。
Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
惟有我,是安慰你们的。你是谁,竟怕那必死的人?怕那要变如草的世人?
Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
却忘记铺张诸天、立定地基、创造你的耶和华?又因欺压者图谋毁灭要发的暴怒,整天害怕,其实那欺压者的暴怒在哪里呢?
ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
被掳去的快得释放,必不死而下坑;他的食物也不致缺乏。
Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
我是耶和华─你的 神─搅动大海,使海中的波浪匉訇─万军之耶和华是我的名。
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako.
我将我的话传给你,用我的手影遮蔽你,为要栽定诸天,立定地基,又对锡安说:你是我的百姓。
Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao.
耶路撒冷啊,兴起!兴起!站起来!你从耶和华手中喝了他忿怒之杯,喝了那使人东倒西歪的爵,以致喝尽。
Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
她所生育的诸子中,没有一个引导她的;她所养大的诸子中,没有一个搀扶她的。
Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
荒凉、毁灭、饥荒、刀兵,这几样临到你,谁为你举哀?我如何能安慰你呢?
Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
你的众子发昏,在各市口上躺卧,好像黄羊在网罗之中,都满了耶和华的忿怒─你 神的斥责。
Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
因此,你这困苦却非因酒而醉的,要听我言。
Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
你的主耶和华─就是为他百姓辨屈的 神如此说:看哪,我已将那使人东倒西歪的杯,就是我忿怒的爵,从你手中接过来;你必不致再喝。
Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
我必将这杯递在苦待你的人手中;他们曾对你说:你屈身,由我们践踏过去吧!你便以背为地,好像街市,任人经过。
Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.