Isaiah 48

雅各家,称为以色列名下,从犹大水源出来的,当听我言!你们指著耶和华的名起誓,提说以色列的 神,却不凭诚实,不凭公义。
Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
他们自称为圣城的人,所倚靠的是名为万军之耶和华─以色列的 神。
Fa milaza ny tenany ho avy amin'ny tanana masina izy ka miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
主说:早先的事,我从古时说明,已经出了我的口,也是我所指示的;我忽然行做,事便成就。
Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
因为我素来知道你是顽梗的─你的颈项是铁的;你的额是铜的。
Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
所以,我从古时将这事给你说明,在未成以先指示你,免得你说:这些事是我的偶像所行的,是我雕刻的偶像和我铸造的偶像所命定的。
Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
你已经听见,现在要看见这一切;你不说明吗?从今以后,我将新事,就是你所不知道的隐密事指示你。
Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
这事是现今造的,并非从古就有;在今日以先,你也未曾听见,免得你说:这事我早已知道了。
Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
你未曾听见,未曾知道;你的耳朵从来未曾开通。我原知道你行事极其诡诈,你自从出胎以来,便称为悖逆的。
Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
我为我的名暂且忍怒,为我的颂讚向你容忍,不将你剪除。
Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
我熬炼你,却不像熬炼银子;你在苦难的炉中,我拣选你。
Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.
我为自己的缘故必行这事,我焉能使我的名被亵渎?我必不将我的荣耀归给假 神。
Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
雅各─我所选召的以色列啊,当听我言:我是耶和华,我是首先的,也是末后的。
Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
我手立了地的根基;我右手铺张诸天;我一招呼便都立住。
Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
你们都当聚集而听,他们(或译:偶像)内中谁说过这些事?耶和华所爱的人必向巴比伦行他所喜悦的事;他的膀臂也要加在迦勒底人身上。
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
惟有我曾说过,我又选召他,领他来,他的道路就必亨通。
Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
你们要就近我来听这话:我从起头并未曾在隐密处说话;自从有这事,我就在那里。现在,主耶和华差遣我和他的灵来(或译:耶和华和他的灵差遣我来)。
Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
耶和华─你的救赎主,以色列的圣者如此说:我是耶和华─你的 神,教训你,使你得益处,引导你所当行的路。
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
甚愿你素来听从我的命令!你的平安就如河水;你的公义就如海浪。
Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
你的后裔也必多如海沙;你腹中所生的也必多如沙粒。他的名在我面前必不剪除,也不灭绝。
Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
你们要从巴比伦出来,从迦勒底人中逃脱,以欢呼的声音传扬说:耶和华救赎了他的仆人雅各!你们要将这事宣扬到地极。
Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin'ny Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony.
耶和华引导他们经过沙漠。他们并不干渴;他为他们使水从磐石而流,分裂磐石,水就涌出。
Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
耶和华说:恶人必不得平安!
Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.