Isaiah 46

彼勒屈身,尼波弯腰;巴比伦的偶像驮在兽和牲畜上。他们所抬的如今成了重驮,使牲畜疲乏,
Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
都一同弯腰屈身,不能保全重驮,自己倒被掳去。
Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
雅各家,以色列家一切余剩的要听我言:你们自从生下,就蒙我保抱,自从出胎,便蒙我怀搋。
Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
直到你们年老,我仍这样;直到你们发白,我仍怀搋。我已造作,也必保抱;我必怀抱,也必拯救。
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
你们将谁与我相比,与我同等,可以与我比较,使我们相同呢?
Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
那从囊中抓金子,用天平平银子的人,雇银匠制造神像,他们又俯伏,又叩拜。
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
他们将神像抬起,扛在肩上,安置在定处,他就站立,不离本位;人呼求他,他不能答应,也不能救人脱离患难。
Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
你们当想念这事,自己作大丈夫。悖逆的人哪,要心里思想。
Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
你们要追念上古的事。因为我是 神,并无别神;我是 神,再没有能比我的。
Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
我从起初指明末后的事,从古时言明未成的事,说:我的筹算必立定;凡我所喜悦的,我必成就。
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
我召鸷鸟从东方来,召那成就我筹算的人从远方来。我已说出,也必成就;我已谋定,也必做成。
Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
你们这些心中顽梗、远离公义的,当听我言。
Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
我使我的公义临近,必不远离。我的救恩必不迟延;我要为以色列─我的荣耀,在锡安施行救恩。
Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.