Isaiah 45

我─耶和华所膏的古列;我搀扶他的右手,使列国降伏在他面前。我也要放松列王的腰带,使城门在他面前敞开,不得关闭。我对他如此说:
Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
我必在你前面行,修平崎岖之地。我必打破铜门,砍断铁闩。
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
我要将暗中的宝物和隐密的财宝赐给你,使你知道提名召你的,就是我─耶和华、以色列的 神。
Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
因我仆人雅各,我所拣选以色列的缘故,我就提名召你;你虽不认识我,我也加给你名号。
Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
我是耶和华,在我以外并没有别神;除了我以外再没有 神。你虽不认识我,我必给你束腰。
Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
从日出之地到日落之处使人都知道除了我以外,没有别神。我是耶和华;在我以外并没有别神。
Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
我造光,又造暗;我施平安,又降灾祸;造作这一切的是我─耶和华。
Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
诸天哪,自上而滴,穹苍降下公义;地面开裂,产出救恩,使公义一同发生;这都是我─耶和华所造的。
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
祸哉,那与造他的主争论的!他不过是地上瓦片中的一块瓦片。泥土岂可对抟弄他的说:你做什么呢?所做的物岂可说:你没有手呢?
Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
祸哉,那对父亲说:你生的是什么呢?或对母亲(原文是妇人)说:你产的是什么呢?
Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
耶和华─以色列的圣者,就是造就以色列的如此说:将来的事,你们可以问我;至于我的众子,并我手的工作,你们可以求我命定(原文是吩咐我)。
Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
我造地,又造人在地上。我亲手铺张诸天;天上万象也是我所命定的。
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
我凭公义兴起古列(原文是他),又要修直他一切道路。他必建造我的城,释放我被掳的民;不是为工价,也不是为赏赐。这是万军之耶和华说的。
Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
耶和华如此说:埃及劳碌得来的和古实的货物必归你;身量高大的西巴人必投降你,也要属你。他们必带著锁鍊过来随从你,又向你下拜,祈求你说: 神真在你们中间,此外再没有别神;再没有别的 神。
Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
救主─以色列的 神啊,你实在是自隐的 神。
Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
凡制造偶像的都必抱愧蒙羞,都要一同归于惭愧。
Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
惟有以色列必蒙耶和华的拯救,得永远的救恩。你们必不蒙羞,也不抱愧,直到永世无尽。
Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin'i Jehovah Amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
创造诸天的耶和华,制造成全大地的 神,他创造坚定大地,并非使地荒凉,是要给人居住。他如此说:我是耶和华,再没有别神。
Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
我没有在隐密黑暗之地说话;我没有对雅各的后裔说:你们寻求我是徒然的。我─耶和华所讲的是公义,所说的是正直。
Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
你们从列国逃脱的人,要一同聚集前来。那些抬著雕刻木偶、祷告不能救人之神的,毫无知识。
Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.
你们要述说陈明你们的理,让他们彼此商议。谁从古时指明?谁从上古述说?不是我─耶和华吗?除了我以外,再没有 神;我是公义的 神,又是救主;除了我以外,再没有别神。
Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
地极的人都当仰望我,就必得救;因为我是 神,再没有别神。
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
我指著自己起誓,我口所出的话是凭公义,并不反回:万膝必向我跪拜;万口必凭我起誓。
Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe:
人论我说,公义、能力,惟独在乎耶和华;人都必归向他。凡向他发怒的必至蒙羞。
Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
以色列的后裔都必因耶和华得称为义,并要夸耀。
Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.