Isaiah 43

雅各啊,创造你的耶和华,以色列啊,造成你的那位,现在如此说:你不要害怕!因为我救赎了你。我曾提你的名召你,你是属我的。
Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
你从水中经过,我必与你同在;你蹚过江河,水必不漫过你;你从火中行过,必不被烧,火焰也不著在你身上。
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
因为我是耶和华─你的 神,是以色列的圣者─你的救主;我已经使埃及作你的赎价,使古实和西巴代替你。
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
因我看你为宝为尊;又因我爱你,所以我使人代替你,使列邦人替换你的生命。
Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
不要害怕,因我与你同在;我必领你的后裔从东方来,又从西方招聚你。
Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
我要对北方说,交出来!对南方说,不要拘留!将我的众子从远方带来,将我的众女从地极领回,
Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
就是凡称为我名下的人,是我为自己的荣耀创造的,是我所做成,所造作的。
Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
你要将有眼而瞎、有耳而聋的民都带出来!
Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
任凭万国聚集;任凭众民会合。其中谁能将此声明,并将先前的事说给我们听呢?他们可以带出见证来,自显为是;或者他们听见便说:这是真的。
Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
耶和华说:你们是我的见证,我所拣选的仆人。既是这样,便可以知道,且信服我,又明白我就是耶和华。在我以前没有真神(真:原文是造作的);在我以后也必没有。
Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
惟有我是耶和华;除我以外没有救主。
Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
我曾指示,我曾拯救,我曾说明,并且在你们中间没有别神。所以耶和华说:你们是我的见证。我也是 神;
Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
自从有日子以来,我就是 神;谁也不能救人脱离我手。我要行事谁能阻止呢?
Eny, hatramin'izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
耶和华─你们的救赎主、以色列的圣者如此说:因你们的缘故,我已经打发人到巴比伦去;并且我要使迦勒底人如逃民,都坐自己喜乐的船下来。
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.
我是耶和华─你们的圣者,是创造以色列的,是你们的君王。
Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
耶和华在沧海中开道,在大水中开路,
Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
使车辆、马匹、军兵、勇士都出来,一同躺下,不再起来;他们灭没,好像熄灭的灯火。
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
耶和华如此说:你们不要记念从前的事,也不要思想古时的事。
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
看哪,我要做一件新事;如今要发现,你们岂不知道吗?我必在旷野开道路,在沙漠开江河。
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
野地的走兽必尊重我;野狗和鸵鸟也必如此。因我使旷野有水,使沙漠有河,好赐给我的百姓、我的选民喝。
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
这百姓是我为自己所造的,好述说我的美德。
Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
雅各啊,你并没有求告我;以色列啊,你倒厌烦我。
Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.
你没有将你的羊带来给我作燔祭,也没有用祭物尊敬我;我没有因供物使你服劳,也没有因乳香使你厌烦。
Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.
你没有用银子为我买菖蒲,也没有用祭物的脂油使我饱足;倒使我因你的罪恶服劳,使我因你的罪孽厌烦。
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao.
惟有我为自己的缘故涂抹你的过犯;我也不记念你的罪恶。
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
你要提醒我,你我可以一同辩论;你可以将你的理陈明,自显为义。
Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
你的始祖犯罪;你的师傅违背我。
Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
所以,我要辱没圣所的首领,使雅各成为咒诅,使以色列成为辱骂。
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.