Isaiah 31

祸哉!那些下埃及求帮助的,是因仗赖马匹,倚靠甚多的车辆,并倚靠强壮的马兵,却不仰望以色列的圣者,也不求问耶和华。
Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
其实,耶和华有智慧;他必降灾祸,并不反悔自己的话,却要兴起攻击那作恶之家,又攻击那作孽帮助人的。
Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
埃及人不过是人,并不是 神;他们的马不过是血肉,并不是灵。耶和华一伸手,那帮助人的必绊跌,那受帮助的也必跌倒,都一同灭亡。
Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
耶和华对我如此说:狮子和少壮狮子护食咆哮,就是喊许多牧人来攻击牠,牠总不因他们的声音惊惶,也不因他们的喧哗缩伏。如此,万军之耶和华也必降临在锡安山冈上争战。
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
雀鸟怎样搧翅覆雏,万军之耶和华也要照样保护耶路撒冷。他必保护拯救,要越门保守。
Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.
以色列人哪,你们深深地悖逆耶和华,现今要归向他。
Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
到那日,各人必将他金偶像银偶像,就是亲手所造、陷自己在罪中的,都抛弃了。
Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon'ny tananareo.
亚述人必倒在刀下,并非人的刀;有刀要将他吞灭,并非人的刀。他必逃避这刀;他的少年人必成为服苦的。
Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
他的磐石必因惊吓挪去;他的首领必因大旗惊惶。这是那有火在锡安、有炉在耶路撒冷的耶和华说的。
Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.