Isaiah 30

耶和华说:祸哉!这悖逆的儿女。他们同谋,却不由于我,结盟,却不由于我的灵,以致罪上加罪;
Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota,
起身下埃及去,并没有求问我;要靠法老的力量加添自己的力量,并投在埃及的荫下。
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
所以,法老的力量必作你们的羞辱;投在埃及的荫下,要为你们的惭愧。
Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin'ny alokalok'i Egypta.
他们的首领已在琐安;他们的使臣到了哈内斯。
Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
他们必因那不利于他们的民蒙羞。那民并非帮助,也非利益,只作羞耻凌辱。
Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
论南方牲畜的默示:他们把财物驮在驴驹的脊背上,将宝物驮在骆驼的肉鞍上,经过艰难困苦之地,就是公狮、母狮、蝮蛇、火焰的飞龙之地,往那不利于他们的民那里去。
Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.
埃及的帮助是徒然无益的;所以我称她为「坐而不动的拉哈伯」。
Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
现今你去,在他们面前将这话刻在版上,写在书上,以便传留后世,直到永永远远。
Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
因为他们是悖逆的百姓、说谎的儿女,不肯听从耶和华训诲的儿女。
Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
他们对先见说:不要望见不吉利的事,对先知说:不要向我们讲正直的话;要向我们说柔和的话,言虚幻的事。
Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
你们要离弃正道,偏离直路,不要在我们面前再提说以色列的圣者。
Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
所以,以色列的圣者如此说:因为你们藐视这训诲的话,倚赖欺压和乖僻,以此为可靠的,
Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
故此,这罪孽在你们身上,好像将要破裂凸出来的高墙,顷刻之间忽然坍塌;
Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
要被打碎,好像把窑匠的瓦器打碎,毫不顾惜,甚至碎块中找不到一片可用以从炉内取火,从池中舀水。
Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
主耶和华─以色列的圣者曾如此说:你们得救在乎归回安息;你们得力在乎平静安稳;你们竟自不肯。
Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
你们却说:不然,我们要骑马奔走。所以你们必然奔走;又说:我们要骑飞快的牲口。所以追赶你们的,也必飞快。
Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
一人叱喝,必令千人逃跑;五人叱喝,你们都必逃跑;以致剩下的,好像山顶的旗杆,冈上的大旗。
Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
耶和华必然等候,要施恩给你们;必然兴起,好怜悯你们。因为耶和华是公平的 神;凡等候他的都是有福的!
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
百姓必在锡安、在耶路撒冷居住;你不再哭泣。主必因你哀求的声音施恩给你;他听见的时候就必应允你。
Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
主虽以艰难给你当饼,以困苦给你当水,你的教师却不再隐藏;你眼必看见你的教师。
Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
你或向左或向右,你必听见后边有声音说:这是正路,要行在其间。
Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
你雕刻偶像所包的银子和铸造偶像所镀的金子,你要玷污,要抛弃,好像污秽之物,对偶像说:「去吧!」
Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
你将种子撒在地里,主必降雨在其上,并使地所出的粮肥美丰盛。到那时,你的牲畜必在宽阔的草场吃草。
Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
耕地的牛和驴驹必吃加盐的料;这料是用木杴和杈子扬净的。
Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
在大行杀戮的日子,高台倒塌的时候,各高山冈陵必有川流河涌。
Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
当耶和华缠裹他百姓的损处,医治他民鞭伤的日子,月光必像日光,日光必加七倍,像七日的光一样。
Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
看哪,耶和华的名从远方来,怒气烧起,密烟上腾。他的嘴唇满有忿恨;他的舌头像吞灭的火。
Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
他的气如涨溢的河水,直涨到颈项,要用毁灭的筛箩筛净列国,并且在众民的口中必有使人错行的嚼环。
Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
你们必唱歌,像守圣节的夜间一样,并且心中喜乐,像人吹笛,上耶和华的山,到以色列的磐石那里。
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely;
耶和华必使人听他威严的声音,又显他降罚的膀臂和他怒中的忿恨,并吞灭的火焰与霹雷、暴风、冰雹。
Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
亚述人必因耶和华的声音惊惶;耶和华必用杖击打他。
Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
耶和华必将命定的杖加在他身上;每打一下,人必击鼓弹琴。打仗的时候,耶和华必抡起手来,与他交战。
Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
原来陀斐特又深又宽,早已为王预备好了;其中堆的是火与许多木柴。耶和华的气如一股硫磺火使他著起来。
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.