Isaiah 3

主─万军之耶和华从耶路撒冷和犹大,除掉众人所倚靠的,所仗赖的,就是所倚靠的粮,所仗赖的水;
Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
除掉勇士和战士,审判官和先知,占卜的和长老,
Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
五十夫长和尊贵人,谋士和有巧艺的,以及妙行法术的。
Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
主说:我必使孩童作他们的首领,使婴孩辖管他们。
Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
百姓要彼此欺压;各人受邻舍的欺压。少年人必侮慢老年人;卑贱人必侮慢尊贵人。
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
人在父家拉住弟兄,说:你有衣服,可以作我们的官长。这败落的事归在你手下吧!
Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,
那时,他必扬声说:我不作医治你们的人;因我家中没有粮食,也没有衣服,你们不可立我作百姓的官长。
Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
耶路撒冷败落,犹大倾倒;因为他们的舌头和行为与耶和华反对,惹了他荣光的眼目。
Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
他们的面色证明自己的不正;他们述说自己的罪恶,并不隐瞒,好像所多玛一样。他们有祸了!因为作恶自害。
Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
你们要论义人说:他必享福乐,因为要吃自己行为所结的果子。
Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
恶人有祸了!他必遭灾难!因为要照自己手所行的受报应。
Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
至于我的百姓,孩童欺压他们,妇女辖管他们。我的百姓啊,引导你的使你走错,并毁坏你所行的道路。
Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
耶和华起来辩论,站著审判众民。
Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
耶和华必审问他民中的长老和首领,说:吃尽葡萄园果子的就是你们;向贫穷人所夺的都在你们家中。
Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
主─万军之耶和华说:你们为何压制我的百姓,搓磨贫穷人的脸呢?
Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
耶和华又说:因为锡安的女子狂傲,行走挺项,卖弄眼目,俏步徐行,脚下玎珰,
Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
所以,主必使锡安的女子头长秃疮;耶和华又使她们赤露下体。
Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
到那日,主必除掉她们华美的脚钏、发网、月牙圈、
Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana,
耳环、手镯、蒙脸的帕子、
Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,
华冠、足鍊、华带、香盒、符囊、
Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,
戒指、鼻环、
Na ny peratra, na ny kavin'orona,
吉服、外套、云肩、荷包、
Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
手镜、细麻衣、裹头巾、蒙身的帕子。
Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;
必有臭烂代替馨香,绳子代替腰带,光秃代替美发,麻衣系腰代替华服,烙伤代替美容。
Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.
你的男丁必倒在刀下;你的勇士必死在阵上。
Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;
锡安(原文是她)的城门必悲伤、哀号;她必荒凉坐在地上。
Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,