Isaiah 10

祸哉!那些设立不义之律例的和记录奸诈之判语的,
Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
为要屈枉穷乏人,夺去我民中困苦人的理,以寡妇当作掳物,以孤儿当作掠物。
Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
到降罚的日子,有灾祸从远方临到,那时,你们怎样行呢?你们向谁逃奔求救呢?你们的荣耀(或译:财宝)存留何处呢?
Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
他们只得屈身在被掳的人以下,仆倒在被杀的人以下。虽然如此,耶和华的怒气还未转消;他的手仍伸不缩。
Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
亚述是我怒气的棍,手中拿我恼恨的杖。
Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
我要打发他攻击亵渎的国民,吩咐他攻击我所恼怒的百姓,抢财为掳物,夺货为掠物,将他们践踏,像街上的泥土一样。
Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
然而,他不是这样的意思;他心也不这样打算。他心里倒想毁灭,剪除不少的国。
Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
他说:我的臣仆岂不都是王吗?
Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
迦勒挪岂不像迦基米施吗?哈马岂不像亚珥拔吗?撒马利亚岂不像大马士革吗?
Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
我手已经搆到有偶像的国;这些国雕刻的偶像过于耶路撒冷和撒马利亚的偶像。
Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,
我怎样待撒马利亚和其中的偶像,岂不照样待耶路撒冷和其中的偶像吗?
Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny koa ?
主在锡安山和耶路撒冷成就他一切工作的时候,主说:「我必罚亚述王自大的心和他高傲眼目的荣耀。」
Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony;
因为他说:我所成就的事是靠我手的能力和我的智慧,我本有聪明。我挪移列国的地界,抢夺他们所积蓄的财宝;并且我像勇士,使坐宝座的降为卑。
Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
我的手搆到列国的财宝,好像人搆到鸟窝;我也得了全地,好像人拾起所弃的雀蛋。没有动翅膀的;没有张嘴的,也没有鸣叫的。
Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
斧岂可向用斧砍木的自夸呢?锯岂可向用锯的自大呢?好比棍抡起那举棍的,好比杖举起那非木的人。
Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
因此,主─万军之耶和华必使亚述王的肥壮人变为瘦弱,在他的荣华之下必有火著起,如同焚烧一样。
Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
以色列的光必如火;他的圣者必如火焰。在一日之间,将亚述王的荆棘和蒺藜焚烧净尽;
Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
又将他树林和肥田的荣耀全然烧尽,好像拿军旗的昏过去一样。
Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy izany.
他林中剩下的树必稀少,就是孩子也能写其数。
Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
到那日,以色列所剩下的和雅各家所逃脱的,不再倚靠那击打他们的,却要诚实倚靠耶和华─以色列的圣者。
Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
所剩下的,就是雅各家所剩下的,必归回全能的 神。
Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.
以色列啊,你的百姓虽多如海沙,惟有剩下的归回。原来灭绝的事已定,必有公义施行,如水涨溢。
Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
因为主─万军之耶和华在全地之中必成就所定规的结局。
Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.
所以,主─万军之耶和华如此说:「住锡安我的百姓啊,亚述王虽然用棍击打你,又照埃及的样子举杖攻击你,你却不要怕他。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
因为还有一点点时候,向你们发的忿恨就要完毕,我的怒气要向他发作,使他灭亡。
Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
万军之耶和华要兴起鞭来攻击他,好像在俄立磐石那里杀戮米甸人一样。耶和华的杖要向海伸出,把杖举起,像在埃及一样。
Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
到那日,亚述王的重担必离开你的肩头;他的轭必离开你的颈项;那轭也必因肥壮的缘故撑断(或译:因膏油的缘故毁坏)。
Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.
亚述王来到亚叶,经过米矶崙,在密抹安放辎重。
Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
他们过了隘口,在迦巴住宿。拉玛人战兢;扫罗的基比亚人逃跑。
Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;
迦琳的居民(原文是女子)哪,要高声呼喊!莱煞人哪,须听!哀哉!困苦的亚拿突啊。
Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
玛得米那人躲避;基柄的居民逃遁。
Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
当那日,亚述王要在挪伯歇兵,向锡安女子的山─就是耶路撒冷的山─抡手攻他。
Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.
看哪,主─万军之耶和华以惊吓削去树枝;长高的必被砍下,高大的必被伐倒。
Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
稠密的树林,他要用铁器砍下;黎巴嫩的树木必被大能者伐倒。
Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.