Hosea 7

我想医治以色列的时候,以法莲的罪孽和撒马利亚的罪恶就显露出来。他们行事虚谎,内有贼人入室偷窃,外有强盗成群骚扰。
Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
他们心里并不思想我记念他们的一切恶;他们所行的现在缠绕他们,都在我面前。
Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
他们行恶使君王欢喜,说谎使首领喜乐。
Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.
他们都是行淫的,像火炉被烤饼的烧热,从抟面到发面的时候,暂不使火著旺。
Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
在我们王宴乐的日子,首领因酒的烈性成病;王与亵慢人拉手。
Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
首领埋伏的时候,心中热如火炉,就如烤饼的整夜睡卧,到了早晨火气炎炎。
Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
众民也热如火炉,烧灭他们的官长。他们的君王都仆倒而死;他们中间无一人求告我。
Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
以法莲与列邦人搀杂;以法莲是没有翻过的饼。
Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
外邦人吞吃他劳力得来的,他却不知道;头发斑白,他也不觉得。
Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
以色列的骄傲当面见证自己,虽遭遇这一切,他们仍不归向耶和华─他们的 神,也不寻求他。
Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.
以法莲好像鸽子愚蠢无知;他们求告埃及,投奔亚述。
Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
他们去的时候,我必将我的网撒在他们身上;我要打下他们,如同空中的鸟。我必按他们会众所听见的惩罚他们。
Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
他们因离弃我,必定有祸;因违背我,必被毁灭。我虽要救赎他们,他们却向我说谎。
Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
他们并不诚心哀求我,乃在床上呼号;他们为求五谷新酒聚集,仍然悖逆我。
Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
我虽教导他们,坚固他们的膀臂,他们竟图谋抗拒我。
Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
他们归向,却不归向至上者;他们如同翻背的弓。他们的首领必因舌头的狂傲倒在刀下;这在埃及地必作人的讥笑。
Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.