Hebrews 6

所以,我们应当离开基督道理的开端,竭力进到完全的地步,不必再立根基,就如那懊悔死行,信靠 神、
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
各样洗礼、按手之礼、死人复活,以及永远审判各等教训。
ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
 神若许我们,我们必如此行。
Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
论到那些已经蒙了光照、尝过天恩的滋味、又于圣灵有分,
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
并尝过 神善道的滋味、觉悟来世权能的人,
ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
若是离弃道理,就不能叫他们从新懊悔了。因为他们把 神的儿子重钉十字架,明明的羞辱他。
nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
就如一块田地,吃过屡次下的雨水,生长菜蔬,合乎耕种的人用,就从 神得福;
Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
若长荆棘和蒺藜,必被废弃,近于咒诅,结局就是焚烧。
fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
亲爱的弟兄们,我们虽是这样说,却深信你们的行为强过这些,而且近乎得救。
Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
因为 神并非不公义,竟忘记你们所做的工和你们为他名所显的爱心,就是先前伺候圣徒,如今还是伺候。
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
我们愿你们各人都显出这样的殷勤,使你们有满足的指望,一直到底。
Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
并且不懈怠,总要效法那些凭信心和忍耐承受应许的人。
mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.
当初 神应许亚伯拉罕的时候,因为没有比自己更大可以指著起誓的,就指著自己起誓,说:
Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
论福,我必赐大福给你;论子孙,我必叫你的子孙多起来。
ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
这样,亚伯拉罕既恒久忍耐,就得了所应许的。
Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
人都是指著比自己大的起誓,并且以起誓为实据,了结各样的争论。
Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
照样, 神愿意为那承受应许的人格外显明他的旨意是不更改的,就起誓为证。
Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
借这两件不更改的事, 神决不能说谎,好叫我们这逃往避难所、持定摆在我们前头指望的人可以大得勉励。
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
我们有这指望,如同灵魂的锚,又坚固又牢靠,且通入幔内。
izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba;
作先锋的耶稣,既照著麦基洗德的等次成了永远的大祭司,就为我们进入幔内。
tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.