Hebrews 3

同蒙天召的圣洁弟兄啊,你们应当思想我们所认为使者、为大祭司的耶稣。
Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
他为那设立他的尽忠,如同摩西在 神的全家尽忠一样。
Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra.
他比摩西算是更配多得荣耀,好像建造房屋的比房屋更尊荣;
Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
因为房屋都必有人建造,但建造万物的就是 神。
Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
摩西为仆人,在 神的全家诚然尽忠,为要证明将来必传说的事。
Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
但基督为儿子,治理 神的家;我们若将可夸的盼望和胆量坚持到底,便是他的家了。
fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
圣灵有话说:你们今日若听他的话,
Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
就不可硬著心,像在旷野惹他发怒、试探他的时候一样。
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
在那里,你们的祖宗试我探我,并且观看我的作为有四十年之久。
Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
所以,我厌烦那世代的人,说:他们心里常常迷糊,竟不晓得我的作为!
Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
我就在怒中起誓说;他们断不可进入我的安息。
Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
弟兄们,你们要谨慎,免得你们中间或有人存著不信的恶心,把永生 神离弃了。
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
总要趁著还有今日,天天彼此相劝,免得你们中间有人被罪迷惑,心里就刚硬了。
fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
我们若将起初确实的信心坚持到底,就在基督里有分了。
Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
经上说:你们今日若听他的话,就不可硬著心,像惹他发怒的日子一样。
raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
那时,听见他话惹他发怒的是谁呢?岂不是跟著摩西从埃及出来的众人吗?
Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?
 神四十年之久,又厌烦谁呢?岂不是那些犯罪、尸首倒在旷野的人吗?
Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
又向谁起誓,不容他们进入他的安息呢;岂不是向那些不信从的人吗?
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
这样看来,他们不能进入安息是因为不信的缘故了。
Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.