Hebrews 2

所以,我们当越发郑重所听见的道理,恐怕我们随流失去。
Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
那借著天使所传的话既是确定的;凡干犯悖逆的都受了该受的报应。
Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,
我们若忽略这么大的救恩,怎能逃罪呢?这救恩起先是主亲自讲的,后来是听见的人给我们证实了。
hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,
 神又按自己的旨意,用神迹、奇事和百般的异能,并圣灵的恩赐,同他们作见证。
sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
我们所说将来的世界, 神原没有交给天使管辖。
Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
但有人在经上某处证明说:人算什么,你竟顾念他?世人算什么,你竟眷顾他?
Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
你叫他比天使微小一点(或作:你叫他暂时比天使小,赐他荣耀尊贵为冠冕,并将你手所造的都派他管理,
Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao;
叫万物都服在他的脚下。既叫万物都服他,就没有剩下一样不服他的。只是如今我们还不见万物都服他。
Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
惟独见那成为比天使小一点的耶稣(或作:惟独见耶稣暂时比天使小);因为受死的苦,就得了尊贵荣耀为冠冕,叫他因著 神的恩,为人人尝了死味。
Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
原来那为万物所属为万物所本的,要领许多的儿子进荣耀里去,使救他们的元帅,因受苦难得以完全,本是合宜的。
Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
因那使人成圣的和那些得以成圣的,都是出于一。所以,他称他们为弟兄也不以为耻,
Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
说:我要将你的名传与我的弟兄,在会中我要颂扬你;
ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao" (Sal 22.22).
又说:我要倚赖他;又说:看哪,我与 神所给我的儿女。
Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
儿女既同有血肉之体,他也照样亲自成了血肉之体,特要借著死败坏那掌死权的,就是魔鬼,
Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
并要释放那些一生因怕死而为奴仆的人。
ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
他并不救拔天使,乃是救拔亚伯拉罕的后裔。
Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
所以,他凡事该与他的弟兄相同,为要在 神的事上成为慈悲忠信的大祭司,为百姓的罪献上挽回祭。
Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
他自己既然被试探而受苦,就能搭救被试探的人。
Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.