Hebrews 13

你们务要常存弟兄相爱的心。
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
不可忘记用爱心接待客旅;因为曾有接待客旅的,不知不觉就接待了天使。
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
你们要记念被捆绑的人,好像与他们同受捆绑;,也要记念遭苦害的人,想到自己也在肉身之内。
Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
婚姻,人人都当尊重,床也不可污秽;因为苟合行淫的人, 神必要审判。
Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
你们存心不可贪爱钱财,要以自己所有的为足;因为主曾说:我总不撇下你,也不丢弃你。
Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
所以我们可以放胆说:主是帮助我的,我必不惧怕;人能把我怎么样呢?
Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
从前引导你们、传 神之道给你们的人,你们要想念他们,效法他们的信心,留心看他们为人的结局。
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
耶稣基督,昨日、今日、一直到永远、是一样的。
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
你们不要被那诸般怪异的教训勾引了去;因为人心靠恩得坚固才是好的,并不是靠饮食。那在饮食上专心的从来没有得著益处。
Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
我们有一祭坛,上面的祭物是那些在帐幕中供职的人不可同吃的。
Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
原来牲畜的血被大祭司带入圣所作赎罪祭;牲畜的身子被烧在营外。
Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
所以,耶稣要用自己的血叫百姓成圣,也就在城门外受苦。
Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny.
这样,我们也当出到营外,就了他去,忍受他所受的凌辱。
Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
我们在这里本没有常存的城,乃是寻求那将来的城。
Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
我们应当靠著耶稣,常常以颂讚为祭献给 神,这就是那承认主名之人嘴唇的果子。
Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
只是不可忘记行善和捐输的事;因为这样的祭,是 神所喜悦的。
Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
你们要依从那些引导你们的,且要顺服;因他们为你们的灵魂时刻儆醒,好像那将来交帐的人。你们要使他们交的时候有快乐,不致忧愁;若忧愁就与你们无益了。
Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
请你们为我们祷告,因我们自觉良心无亏,愿意凡事按正道而行。
Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.
我更求你们为我祷告,使我快些回到你们那里去。
Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
但愿赐平安的 神,就是那凭永约之血、使群羊的大牧人─我主耶稣从死里复活的 神,
Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay,
在各样善事上成全你们,叫你们遵行他的旨意;又借著耶稣基督在你们心里行他所喜悦的事。愿荣耀归给他,直到永永远远。阿们!
Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
弟兄们,我略略写信给你们,望你们听我劝勉的话。
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
你们该知道,我们的兄弟提摩太已经释放了;他若快来,我必同他去见你们。
Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
请你们问引导你们的诸位和众圣徒安。从意大利来的人也问你们安。
Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.
愿恩惠常与你们众人同在。阿们!
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.