Hebrews 1

 神既在古时借著众先知多次多方的晓谕列祖,
Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
就在这末世借著他儿子晓谕我们;又早已立他为承受万有的,也曾借著他创造诸世界。
dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
他是 神荣耀所发的光辉,是 神本体的真像,常用他权能的命令托住万有。他洗净了人的罪,就坐在高天至大者的右边。
Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
他所承受的名,既比天使的名更尊贵,就远超过天使。
ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
所有的天使, 神从来对那一个说,你是我的儿子,我今日生你?又指著那一个说:我要作他的父,他要作我的子?
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.)
再者, 神使长子到世上来的时候(或作: 神再使长子到世上来的时候),就说: 神的使者都要拜他。
Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
论到使者,又说: 神以风为使者,以火焰为仆役;
Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).
论到子却说: 神啊,你的宝座是永永远远的;你的国权是正直的。
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
你喜爱公义,恨恶罪恶;所以 神,就是你的 神,用喜乐油膏你,胜过膏你的同伴;
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).
又说:主啊,你起初立了地的根基;天也是你手所造的。
Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra;
天地都要灭没,你却要长存。天地都要像衣服渐渐旧了;
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
你要将天地捲起来,像一件外衣,天地就都改变了。惟有你永不改变;你的年数没有穷尽。
Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).
所有的天使, 神从来对那一个说:你坐在我的右边,等我使你仇敌作你的脚凳?
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
天使岂不都是服役的灵、奉差遣为那将要承受救恩的人效力吗?
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena?