Haggai 1

大利乌王第二年六月初一日,耶和华的话借先知哈该向犹大省长撒拉铁的儿子所罗巴伯和约撒答的儿子大祭司约书亚说:
Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
万军之耶和华如此说:「这百姓说,建造耶和华殿的时候尚未来到。」
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah.
那时耶和华的话临到先知哈该说:
Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
这殿仍然荒凉,你们自己还住天花板的房屋吗?
Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
现在万军之耶和华如此说:你们要省察自己的行为。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
你们撒的种多,收的却少;你们吃,却不得饱;喝,却不得足;穿衣服,却不得暖;得工钱的,将工钱装在破漏的囊中。
Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
万军之耶和华如此说:「你们要省察自己的行为。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
你们要上山取木料,建造这殿,我就因此喜乐,且得荣耀。这是耶和华说的。
Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.
你们盼望多得,所得的却少;你们收到家中,我就吹去。这是为什么呢?因为我的殿荒凉,你们各人却顾(原文是奔)自己的房屋。这是万军之耶和华说的。
Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
所以为你们的缘故,天就不降甘露,地也不出土产。
Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.
我命干旱临到地土、山冈、五谷、新酒,和油,并地上的出产、人民、牲畜,以及人手一切劳碌得来的。」
Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tanana.
那时,撒拉铁的儿子所罗巴伯和约撒答的儿子大祭司约书亚,并剩下的百姓,都听从耶和华─他们 神的话和先知哈该奉耶和华─他们 神差来所说的话;百姓也在耶和华面前存敬畏的心。
Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
耶和华的使者哈该奉耶和华差遣对百姓说:「耶和华说:我与你们同在。」
Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
耶和华激动犹大省长撒拉铁的儿子所罗巴伯和约撒答的儿子大祭司约书亚,并剩下之百姓的心,他们就来为万军之耶和华─他们 神的殿做工。
Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny,
这是在大利乌王第二年六月二十四日。
tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.