Habakkuk 2

我要站在守望所,立在望楼上观看,看耶和华对我说什么话,我可用什么话向他诉冤(向他诉冤:或译回答所疑问的)。
Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.
他对我说:将这默示明明地写在版上,使读的人容易读(或译:随跑随读)。
Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza.
因为这默示有一定的日期,快要应验,并不虚谎。虽然迟延,还要等候;因为必然临到,不再迟延。
Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
迦勒底人自高自大,心不正直;惟义人因信得生。
Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany.
迦勒底人因酒诡诈,狂傲,不住在家中,扩充心欲,好像阴间。他如死不能知足,聚集万国,堆积万民都归自己。
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..
这些国的民岂不都要提起诗歌并俗语讥刺他说:祸哉!迦勒底人,你增添不属自己的财物,多多取人的当头,要到几时为止呢?
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka
咬伤你的岂不忽然起来,扰害你的岂不兴起,你就作他们的掳物吗?
Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?
因你抢夺许多的国,杀人流血,向国内的城并城中一切居民施行强暴,所以各国剩下的民都必抢夺你。
Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
为本家积蓄不义之财、在高处搭窝、指望免灾的有祸了!
Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza
你图谋剪除多国的民,犯了罪,使你的家蒙羞,自害己命。
Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.
墙里的石头必呼叫;房内的栋梁必应声。
Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano no hamaly azy.
以人血建城、以罪孽立邑的有祸了!
Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!
众民所劳碌得来的被火焚烧,列国由劳乏而得的归于虚空,不都是出于万军之耶和华吗?
Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?
认识耶和华荣耀的知识要充满遍地,好像水充满洋海一般。
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
给人酒喝、又加上毒物、使他喝醉、好看见他下体的有祸了!
Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
你满受羞辱,不得荣耀;你也喝吧,显出是未受割礼的!耶和华右手的杯必传到你那里;你的荣耀就变为大大地羞辱。
Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.
你向黎巴嫩行强暴与残害惊吓野兽的事必遮盖你;因你杀人流血,向国内的城并城中一切居民施行强暴。
Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
雕刻的偶像,人将它刻出来,有什么益处呢?铸造的偶像就是虚谎的师傅。制造者倚靠这哑巴偶像有什么益处呢?
Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?
对木偶说:醒起!对哑巴石像说:起来!那人有祸了!这个还能教训人吗?看哪,是包裹金银的,其中毫无气息。
Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
惟耶和华在他的圣殿中;全地的人都当在他面前肃敬静默。
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!