Genesis 48

这事以后,有人告诉约瑟说:「你的父亲病了。」他就带著两个儿子玛拿西和以法莲同去。
Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
有人告诉雅各说:「请看,你儿子约瑟到你这里来了。」以色列就勉强在床上坐起来。
Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
雅各对约瑟说:「全能的 神曾在迦南地的路斯向我显现,赐福与我,
Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
对我说:『我必使你生养众多,成为多民,又要把这地赐给你的后裔,永远为业。』
Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
我未到埃及见你之先,你在埃及地所生的以法莲和玛拿西这两个儿子是我的,正如流便和西缅是我的一样。
Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
你在他们以后所生的就是你的,他们可以归于他们弟兄的名下得产业。
Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
至于我,我从巴旦来的时候,拉结死在我眼前,在迦南地的路上,离以法他还有一段路程,我就把她葬在以法他的路上〈以法他就是伯利恒〉。」
Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
以色列看见约瑟的两个儿子,就说:「这是谁?」
Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
约瑟对他父亲说:「这是 神在这里赐给我的儿子。」以色列说:「请你领他们到我跟前,我要给他们祝福。」
Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
以色列年纪老迈,眼睛昏花,不能看见。约瑟领他们到他跟前,他就和他们亲嘴,抱著他们。
Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
以色列对约瑟说:「我想不到得见你的面,不料, 神又使我得见你的儿子。」
Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
约瑟把两个儿子从以色列两膝中领出来,自己就脸伏于地下拜。
Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.
随后,约瑟又拉著他们两个,以法莲在他的右手里,对著以色列的左手,玛拿西在他的左手里,对著以色列的右手,领他们到以色列的跟前。
Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
以色列伸出右手来,按在以法莲的头上〈以法莲乃是次子〉,又剪搭过左手来,按在玛拿西的头上〈玛拿西原是长子〉。
Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
他就给约瑟祝福说:「愿我祖亚伯拉罕和我父以撒所事奉的 神,就是一生牧养我直到今日的 神,
Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
救赎我脱离一切患难的那使者,赐福与这两个童子。愿他们归在我的名下和我祖亚伯拉罕、我父以撒的名下。又愿他们在世界中生养众多。」
ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
约瑟见他父亲把右手按在以法莲的头上,就不喜悦,便提起他父亲的手,要从以法莲头上挪到玛拿西的头上。
Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
约瑟对他父亲说:「我父,不是这样。这本是长子,求你把右手按在他的头上。」
ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana.
他父亲不从,说:「我知道,我儿,我知道。他也必成为一族,也必昌大。只是他的兄弟将来比他还大;他兄弟的后裔要成为多族。」
Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
当日就给他们祝福说:「以色列人要指著你们祝福说:『愿 神使你如以法莲、玛拿西一样。』」于是立以法莲在玛拿西以上。
Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
以色列又对约瑟说:「我要死了,但 神必与你们同在,领你们回到你们列祖之地。
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.
并且我从前用弓用刀从亚摩利人手下夺的那块地,我都赐给你,使你比众弟兄多得一分。」
Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.