Genesis 41

过了两年,法老做梦,梦见自己站在河边,
Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.
有七只母牛从河里上来,又美好又肥壮,在芦荻中吃草。
Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.
随后又有七只母牛从河里上来,又丑陋又干瘦,与那七只母牛一同站在河边。
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
这又丑陋又干瘦的七只母牛吃尽了那又美好又肥壮的七只母牛。法老就醒了。
Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.
他又睡著,第二回做梦,梦见一棵麦子长了七个穗子,又肥大又佳美,
Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.
随后又长了七个穗子,又细弱又被东风吹焦了。
Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.
这细弱的穗子吞了那七个又肥大又饱满的穗子。法老醒了,不料是个梦。
Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
到了早晨,法老心里不安,就差人召了埃及所有的术士和博士来;法老就把所做的梦告诉他们,却没有人能给法老圆解。
Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
那时酒政对法老说:「我今日想起我的罪来。
Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:
从前法老恼怒臣仆,把我和膳长下在护卫长府内的监里。
Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
我们二人同夜各做一梦,各梦都有讲解。
Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.
在那里同著我们有一个希伯来的少年人,是护卫长的仆人,我们告诉他,他就把我们的梦圆解,是按著各人的梦圆解的。
Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
后来正如他给我们圆解的成就了;我官复原职,膳长被挂起来了。」
Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
法老遂即差人去召约瑟,他们便急忙带他出监,他就剃头,刮脸,换衣裳,进到法老面前。
Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
法老对约瑟说:「我做了一梦,没有人能解;我听见人说,你听了梦就能解。」
Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
约瑟回答法老说:「这不在乎我, 神必将平安的话回答法老。」
Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.
法老对约瑟说:「我梦见我站在河边,
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
有七只母牛从河里上来,又肥壮又美好,在芦荻中吃草。
koa, indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana teny amin'ny bararata ireny.
随后又有七只母牛上来,又软弱又丑陋又干瘦,在埃及遍地,我没有见过这样不好的。
Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany Egypta rehetra.
这又干瘦又丑陋的母牛吃尽了那以先的七只肥母牛,
Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
吃了以后却看不出是吃了,那丑陋的样子仍旧和先前一样。我就醒了。
Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
我又梦见一棵麦子,长了七个穗子,又饱满又佳美,
Ary hitako tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara;
随后又长了七个穗子,枯槁细弱,被东风吹焦了。
ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
这些细弱的穗子吞了那七个佳美的穗子。我将这梦告诉了术士,却没有人能给我解说。」
ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
约瑟对法老说:「法老的梦乃是一个。 神已将所要做的事指示法老了。
Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.
七只好母牛是七年,七个好穗子也是七年;这梦乃是一个。
Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.
那随后上来的七只又干瘦又丑陋的母牛是七年,那七个虚空、被东风吹焦的穗子也是七年,都是七个荒年。
Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
这就是我对法老所说, 神已将所要做的事显明给法老了。
Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.
埃及遍地必来七个大丰年,
Indro, hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
随后又要来七个荒年,甚至在埃及地都忘了先前的丰收,全地必被饥荒所灭。
ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
因那以后的饥荒甚大,便不觉得先前的丰收了。
ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
至于法老两回做梦,是因 神命定这事,而且必速速成就。
Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
所以,法老当拣选一个有聪明有智慧的人,派他治理埃及地。
Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.
法老当这样行,又派官员管理这地。当七个丰年的时候,征收埃及地的五分之一,
Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
叫他们把将来丰年一切的粮食聚敛起来,积蓄五谷,收存在各城里做食物,归于法老的手下。
Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy
所积蓄的粮食可以防备埃及地将来的七个荒年,免得这地被饥荒所灭。」
Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
法老和他一切臣仆都以这事为妙。
Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
法老对臣仆说:「像这样的人,有 神的灵在他里头,我们岂能找得著呢?」
Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
法老对约瑟说:「 神既将这事都指示你,可见没有人像你这样有聪明有智慧。
Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
你可以掌管我的家;我的民都必听从你的话。惟独在宝座上我比你大。」
koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
法老又对约瑟说:「我派你治理埃及全地。」
Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
法老就摘下手上打印的戒指,戴在约瑟的手上,给他穿上细麻衣,把金鍊戴在他的颈项上,
Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
又叫约瑟坐他的副车,喝道的在前呼叫说:「跪下。」这样、法老派他治理埃及全地。
dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
法老对约瑟说:「我是法老,在埃及全地,若没有你的命令,不许人擅自办事【原文作动手动脚】。」
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
法老赐名给约瑟,叫撒发那忒巴内亚,又将安城的祭司波提非拉的女儿亚西纳给他为妻。约瑟就出去巡行埃及地。
Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
约瑟见埃及王法老的时候年三十岁。他从法老面前出去,遍行埃及全地。
Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
七个丰年之内,地的出产极丰极盛【原文作一把一把的】,
Ary ny tany dia nahavokatra tsy omby fàmpana tamin'ny taon-jina fito.
约瑟聚歛埃及地七个丰年一切的粮食,把粮食积存在各城里;各城周围田地的粮食都积存在本城里。
Dia namory ny hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
约瑟积蓄五谷甚多,如同海边的沙,无法计算,因为谷不可胜数。
Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.
荒年未到以前,安城的祭司波提非拉的女儿亚西纳给约瑟生了两个儿子。
Ary nisy zazalahy roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
约瑟给长子起名叫玛拿西【就是使之忘了的意思】,因为他说:「 神使我忘了一切的困苦和我父的全家。」
Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.
他给次子起名叫以法莲【就是使之昌盛的意思】,因为他说:「 神使我在受苦的地方昌盛。」
Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.
埃及地的七个丰年一完,
Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;
七个荒年就来了。正如约瑟所说的,各地都有饥荒;惟独埃及全地有粮食。
dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
及至埃及全地有了饥荒,众民向法老哀求粮食,法老对他们说:「你们往约瑟那里去,凡他所说的,你们都要做。」
Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.
当时饥荒遍满天下,约瑟开了各处的仓,粜粮给埃及人;在埃及地饥荒甚大。
Ary ny mosary dia tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.
各地的人都往埃及去,到约瑟那里籴粮,因为天下的饥荒甚大。
Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.