Genesis 38

那时,犹大离开他弟兄下去,到一个亚杜兰人名叫希拉的家里去。
Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
犹大在那里看见一个迦南人名叫书亚的女儿,就娶她为妻,与她同房,
Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
她就怀孕生了儿子,犹大给他起名叫珥。
Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
她又怀孕生了儿子,母亲给他起名叫俄南。
Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
她复又生了儿子,给他起名叫示拉。她生示拉的时候,犹大正在基悉。
Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
犹大为长子珥娶妻,名叫她玛。
Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
犹大的长子珥在耶和华眼中看为恶,耶和华就叫他死了。
Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
犹大对俄南说:「你当与你哥哥的妻子同房,向她尽你为弟的本分,为你哥哥生子立后。」
Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
俄南知道生子不归自己,所以同房的时候便遗在地,免得给他哥哥留后。
Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
俄南所做的在耶和华眼中看为恶,耶和华也就叫他死了。
Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
犹大心里说:「恐怕示拉也死,像他两个哥哥一样」,就对他儿妇她玛说:「你去,在你父亲家里守寡,等我儿子示拉长大。」她玛就回去,住在她父亲家里。
Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
过了许久,犹大的妻子书亚的女儿死了。犹大得了安慰,就和他朋友亚杜兰人希拉上亭拿去,到他剪羊毛的人那里。
Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
有人告诉她玛说:「你的公公上亭拿剪羊毛去了。」
Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
她玛见示拉已经长大,还没有娶她为妻,就脱了她作寡妇的衣裳,用帕子蒙著脸,又遮住身体,坐在亭拿路上的伊拿印城门口。
Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
犹大看见她,以为是妓女,因为她蒙著脸。
Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
犹大就转到她那里去,说:「来吧!让我与你同寝。」他原不知道是他的儿妇。她玛说:「你要与我同寝,把什么给我呢?」
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
犹大说:「我从羊群里取一只山羊羔,打发人送来给你。」她玛说:「在未送以先,你愿意给我一个当头吗?」
Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
他说:「我给你什么当头呢?」她玛说:「你的印、你的带子,和你手里的杖。」犹大就给了她,与她同寝,她就从犹大怀了孕。
Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
她玛起来走了,除去帕子,仍旧穿上作寡妇的衣裳。
Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
犹大托他朋友亚杜兰人送一只山羊羔去,要从那女人手里取回当头来,却找不著她,
Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
就问那地方的人说:「伊拿印路旁的妓女在那里?」他们说:「这里并没有妓女。」
Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
他回去见犹大说:「我没有找著她,并且那地方的人说:『这里没有妓女。』」
Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
犹大说:「我把这山羊羔送去了,你竟找不著她。任凭她拿去吧,免得我们被羞辱。」
Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
约过了三个月,有人告诉犹大说:「你的儿妇她玛作了妓女,且因行淫有了身孕。」犹大说:「拉出她来,把她烧了!」
Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
她玛被拉出来的时候便打发人去见他公公,对他说:「这些东西是谁的,我就是从谁怀的孕。请你认一认,这印和带子并杖都是谁的?」
Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
犹大承认说:「她比我更有义,因为我没有将她给我的儿子示拉。」从此犹大不再与她同寝了。
Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
她玛将要生产,不料她腹里是一对双生。
Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
到生产的时候,一个孩子伸出一只手来;收生婆拿红线拴在他手上,说:「这是头生的。」
Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
随后这孩子把手收回去,他哥哥生出来了;收生婆说:「你为什么抢著来呢?」因此给他起名叫法勒斯。
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
后来,他兄弟那手上有红线的也生出来,就给他起名叫谢拉。
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.