Genesis 35

 神对雅各说:「起来!上伯特利去,住在那里;要在那里筑一座坛给 神,就是你逃避你哥哥以扫的时候向你显现的那位。」
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
雅各就对他家中的人并一切与他同在的人说:「你们要除掉你们中间的外邦神,也要自洁,更换衣裳。
Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
我们要起来,上伯特利去,在那里我要筑一座坛给 神,就是在我遭难的日子应允我的祷告、在我行的路上保佑我的那位。」
ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako.
他们就把外邦人的神像和他们耳朵上的环子交给雅各;雅各都藏在示剑那里的橡树底下。
Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
他们便起行前往。 神使那周围城邑的人都甚惊惧,就不追赶雅各的众子了。
Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
于是雅各和一切与他同在的人到了迦南地的路斯,就是伯特利。
Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
他在那里筑了一座坛,就给那地方起名叫伊勒‧伯特利【就是伯特利之 神的意思】;因为他逃避他哥哥的时候, 神在那里向他显现。
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
利百加的奶母底波拉死了,就葬在伯特利下边橡树底下;那棵树名叫亚伦‧巴古。
Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
雅各从巴旦‧亚兰回来, 神又向他显现,赐福与他,
Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
且对他说:「你的名原是雅各,从今以后不要再叫雅各,要叫以色列。」这样,他就改名叫以色列。
Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
 神又对他说:「我是全能的 神;你要生养众多,将来有一族和多国的民从你而生,又有君王从你而出。
Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
我所赐给亚伯拉罕和以撒的地,我要赐给你与你的后裔。」
ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
 神就从那与雅各说话的地方升上去了。
Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
雅各便在那里立了一根石柱,在柱子上奠酒,浇油。
Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
雅各就给那地方起名叫伯特利。
Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
他们从伯特利起行,离以法他还有一段路程,拉结临产甚是艰难。
Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
正在艰难的时候,收生婆对她说:「不要怕,你又要得一个儿子了。」
Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
她将近于死,灵魂要走的时候,就给她儿子起名叫便俄尼;他父亲却给他起名叫便雅悯。
Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
拉结死了,葬在以法他的路旁;以法他就是伯利恒。
Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
雅各在她的坟上立了一统碑,就是拉结的墓碑,到今日还在。
Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka androany.
以色列起行前往,在以得台那边支搭帐棚。
Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
以色列住在那地的时候,流便去与他父亲的妾辟拉同寝,以色列也听见了。雅各共有十二个儿子。
Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
利亚所生的是雅各的长子流便,还有西缅、利未、犹大、以萨迦、西布伦。
Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
拉结所生的是约瑟、便雅悯。
ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
拉结的使女辟拉所生的是但、拿弗他利。
ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
利亚的使女悉帕所生的是迦得、亚设。这是雅各在巴旦‧亚兰所生的儿子。
ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
雅各来到他父亲以撒那里,到了基列‧亚巴的幔利,乃是亚伯拉罕和以撒寄居的地方;基列‧亚巴就是希伯崙。
Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
以撒共活了一百八十岁。
Ary ny andro niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.
以撒年纪老迈,日子满足,气绝而死,归到他列祖【原文作本民】那里。他两个儿子以扫、雅各把他埋葬了。
Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.