Genesis 31

雅各听见拉班的儿子们有话说:「雅各把我们父亲所有的都夺了去,并借著我们父亲的,得了这一切的荣耀【或作财】。」
Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
雅各见拉班的气色向他不如从前了。
Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
耶和华对雅各说:「你要回你祖你父之地,到你亲族那里去,我必与你同在。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
雅各就打发人,叫拉结和利亚到田野羊群那里来,
Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
对她们说:「我看你们父亲的气色向我不如从前了;但我父亲的 神向来与我同在。
ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
你们也知道,我尽了我的力量服事你们的父亲。
Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
你们的父亲欺哄我,十次改了我的工价;然而 神不容他害我。
Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
他若说:『有点的归你作工价』,羊群所生的都有点;他若说:『有纹的归你作工价』,羊群所生的都有纹。
Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
这样, 神把你们父亲的牲畜夺来赐给我了。
Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
羊配合的时候,我梦中举目一看,见跳母羊的公羊都是有纹的、有点的、有花斑的。
Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
 神的使者在那梦中呼叫我说:『雅各。』我说:『我在这里。』
Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra ta­miko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
他说:『你举目观看,跳母羊的公羊都是有纹的、有点的、有花斑的;凡拉班向你所做的,我都看见了。
Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
我是伯特利的 神;你在那里用油浇过柱子,向我许过愿。现今你起来,离开这地,回你本地去吧!』」
Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
拉结和利亚回答雅各说:「在我们父亲的家里还有我们可得的分吗?还有我们的产业吗?
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
我们不是被他当作外人吗?因为他卖了我们,吞了我们的价值。
Tsy natao­ny toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
 神从我们父亲所夺出来的一切财物,那就是我们和我们孩子们的。现今凡 神所吩咐你的,你只管去行吧!」
Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
雅各起来,使他的儿子和妻子都骑上骆驼,
Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
又带著他在巴旦‧亚兰所得的一切牲畜和财物,往迦南地、他父亲以撒那里去了。
dia ni­tondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
当时拉班剪羊毛去了,拉结偷了他父亲家中的神像。
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
雅各背著亚兰人拉班偷走了,并不告诉他,
Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
就带著所有的逃跑。他起身过大河,面向基列山行去。
Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
到第三日,有人告诉拉班,雅各逃跑了。
Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
拉班带领他的众弟兄去追赶,追了七日,在基列山就追上了。
Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
夜间, 神到亚兰人拉班那里,在梦中对他说:「你要小心,不可与雅各说好说歹。」
Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
拉班追上雅各。雅各在山上支搭帐棚;拉班和他的众弟兄也在基列山上支搭帐棚。
Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
拉班对雅各说:「你做的是什么事呢?你背著我偷走了,又把我的女儿们带了去,如同用刀剑掳去的一般。
Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
你为什么暗暗地逃跑,偷著走,并不告诉我,叫我可以欢乐、唱歌、击鼓、弹琴地送你回去?
Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
又不容我与外孙和女儿亲嘴?你所行的真是愚昧!
sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
我手中原有能力害你,只是你父亲的 神昨夜对我说:『你要小心,不可与雅各说好说歹。』
Manan­kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
现在你虽然想你父家,不得不去,为什么又偷了我的神像呢?」
Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
雅各回答拉班说:「恐怕你把你的女儿从我夺去,所以我逃跑。
Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
至于你的神像,你在谁那里搜出来,就不容谁存活。当著我们的众弟兄,你认一认,在我这里有什么东西是你的,就拿去。」原来雅各不知道拉结偷了那些神像。
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
拉班进了雅各、利亚,并两个使女的帐棚,都没有搜出来,就从利亚的帐棚出来,进了拉结的帐棚。
Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
拉结已经把神像藏在骆驼的驮篓里,便坐在上头。拉班摸遍了那帐棚,并没有摸著。
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
拉结对她父亲说:「现在我身上不便,不能在你面前起来,求我主不要生气。」这样,拉班搜寻神像,竟没有搜出来。
Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
雅各就发怒斥责拉班说:「我有什么过犯,有什么罪恶,你竟这样火速地追我?
Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
你摸遍了我一切的家具,你搜出什么来呢?可以放在你我弟兄面前,叫他们在你我中间辨别辨别。
Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
我在你家这二十年,你的母绵羊、母山羊没有掉过胎。你群中的公羊,我没有吃过;
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
被野兽撕裂的,我没有带来给你,是我自己赔上。无论是白日,是黑夜,被偷去的,你都向我索要。
Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
我白日受尽干热,黑夜受尽寒霜,不得合眼睡著,我常是这样。
Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
我这二十年在你家里,为你的两个女儿服事你十四年,为你的羊群服事你六年,你又十次改了我的工价。
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
若不是我父亲以撒所敬畏的 神,就是亚伯拉罕的 神与我同在,你如今必定打发我空手而去。 神看见我的苦情和我的劳碌,就在昨夜责备你。」
Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
拉班回答雅各说:「这女儿是我的女儿,这些孩子是我的孩子,这些羊群也是我的羊群;凡在你眼前的都是我的。我的女儿并她们所生的孩子,我今日能向他们做什么呢?
Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
来吧!你我二人可以立约,作你我中间的证据。」
Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
雅各就拿一块石头立作柱子,
Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
又对众弟兄说:「你们堆聚石头。」他们就拿石头来堆成一堆,大家便在旁边吃喝。
Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
拉班称那石堆为伊迦尔‧撒哈杜他,雅各却称那石堆为迦累得【都是以石堆为证的意思】。
Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
拉班说:「今日这石堆作你我中间的证据。」因此这地方名叫迦累得,
Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
又叫米斯巴,意思说:「我们彼此离别以后,愿耶和华在你我中间鉴察。
Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
你若苦待我的女儿,又在我的女儿以外另娶妻,虽没有人知道,却有 神在你我中间作见证。」
Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
拉班又说:「你看我在你我中间所立的这石堆和柱子。
Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
这石堆作证据,这柱子也作证据。我必不过这石堆去害你;你也不可过这石堆和柱子来害我。
dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
但愿亚伯拉罕的 神和拿鹤的 神,就是他们父亲的 神,在你我中间判断。」雅各就指著他父亲以撒所敬畏的 神起誓,
Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.
又在山上献祭,请众弟兄来吃饭。他们吃了饭,便在山上住宿。
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
拉班清早起来,与他外孙和女儿亲嘴,给他们祝福,回往自己的地方去了。