Genesis 27

以撒年老,眼睛昏花,不能看见,就叫了他大儿子以扫来,说:「我儿。」以扫说:「我在这里。」
Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
他说:「我如今老了,不知道那一天死。
Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
现在拿你的器械,就是箭囊和弓,往田野去为我打猎,
koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
照我所爱的做成美味,拿来给我吃,使我在未死之先给你祝福。」
ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
以撒对他儿子以扫说话,利百加也听见了。以扫往田野去打猎,要得野味带来。
Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
利百加就对她儿子雅各说:「我听见你父亲对你哥哥以扫说:
Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
『你去把野兽带来,做成美味给我吃,我好在未死之先,在耶和华面前给你祝福。』
Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
现在,我儿,你要照著我所吩咐你的,听从我的话。
Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
你到羊群里去,给我拿两只肥山羊羔来,我便照你父亲所爱的给他做成美味。
Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
你拿到你父亲那里给他吃,使他在未死之先给你祝福。」
ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
雅各对他母亲利百加说:「我哥哥以扫浑身是有毛的,我身上是光滑的;
Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
倘若我父亲著我摸,必以我为欺哄人的,我就招咒诅,不得祝福。」
ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
他母亲对他说:「我儿,你招的咒诅归到我身上;你只管听我的话,去把羊羔给我拿来。」
Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
他便去拿来,交给他母亲;他母亲就照他父亲所爱的做成美味。
Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
利百加又把家里所存大儿子以扫上好的衣服给她小儿子雅各穿上,
Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
又用山羊羔皮包在雅各的手上和颈项的光滑处,
Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
就把所做的美味和饼交在她儿子雅各的手里。
dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
雅各到他父亲那里说:「我父亲!」他说:「我在这里。我儿,你是谁?」
Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
雅各对他父亲说:「我是你的长子以扫;我已照你所吩咐我的行了。请起来坐著,吃我的野味,好给我祝福。」
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
以撒对他儿子说:「我儿,你如何找得这么快呢?」他说:「因为耶和华─你的 神使我遇见好机会得著的。」
Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
以撒对雅各说:「我儿,你近前来,我摸摸你,知道你真是我的儿子以扫不是?」
Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
雅各就挨近他父亲以撒。以撒摸著他,说:「声音是雅各的声音,手却是以扫的手。」
Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
以撒就辨不出他来;因为他手上有毛,像他哥哥以扫的手一样,就给他祝福;
Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
又说:「你真是我儿子以扫吗?」他说:「我是。」
Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
以撒说:「你递给我,我好吃我儿子的野味,给你祝福。」雅各就递给他,他便吃了,又拿酒给他,他也喝了。
Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
他父亲以撒对他说:「我儿,你上前来与我亲嘴」。
Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
他就上前与父亲亲嘴。他父亲一闻他衣服上的香气,就给他祝福,说:我儿的香气如同耶和华赐福之田地的香气一样。
Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
愿 神赐你天上的甘露,地上的肥土,并许多五谷新酒。
Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
愿多民事奉你,多国跪拜你。愿你作你弟兄的主;你母亲的儿子向你跪拜。凡咒诅你的,愿他受咒诅;为你祝福的,愿他蒙福。
Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
以撒为雅各祝福已毕,雅各从他父亲那里才出来,他哥哥以扫正打猎回来,
Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
也做了美味,拿来给他父亲,说:「请父亲起来,吃你儿子的野味,好给我祝福。」
Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
他父亲以撒对他说:「你是谁?」他说:「我是你的长子以扫。」
Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
以撒就大大地战兢,说:「你未来之先,是谁得了野味拿来给我呢?我已经吃了,为他祝福;他将来也必蒙福。」
Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
以扫听了他父亲的话,就放声痛哭,说:「我父啊,求你也为我祝福!」
Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
以撒说:「你兄弟已经用诡计来将你的福分夺去了。」
Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
以扫说:「他名雅各,岂不是正对吗?因为他欺骗了我两次:他从前夺了我长子的名分,你看,他现在又夺了我的福分。」以扫又说:「你没有留下为我可祝的福吗?」
Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
以撒回答以扫说:「我已立他为你的主,使他的弟兄都给他作仆人,并赐他五谷新酒可以养生。我儿,现在我还能为你做什么呢?」
Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
以扫对他父亲说:「父啊,你只有一样可祝的福吗?我父啊,求你也为我祝福!」以扫就放声而哭。
Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
他父亲以撒说:地上的肥土必为你所住;天上的甘露必为你所得。
Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
你必倚靠刀剑度日,又必事奉你的兄弟;到你强盛的时候,必从你颈项上挣开他的轭。
Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
以扫因他父亲给雅各祝的福,就怨恨雅各,心里说:「为我父亲居丧的日子近了,到那时候,我要杀我的兄弟雅各。」
Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
有人把利百加大儿子以扫的话告诉利百加,她就打发人去,叫了她小儿子雅各来,对他说:「你哥哥以扫想要杀你,报仇雪恨。
Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
现在,我儿,你要听我的话:起来,逃往哈兰、我哥哥拉班那里去,
Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.
同他住些日子,直等你哥哥的怒气消了。
Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
你哥哥向你消了怒气,忘了你向他所做的事,我便打发人去把你从那里带回来。为什么一日丧你们二人呢?」
eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
利百加对以撒说:「我因这赫人的女子连性命都厌烦了;倘若雅各也娶赫人的女子为妻,像这些一样,我活著还有什么益处呢?」
Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?