Genesis 20

亚伯拉罕从那里向南地迁去,寄居在加低斯和书珥中间的基拉耳。
Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
亚伯拉罕称他的妻撒拉为妹子,基拉耳王亚比米勒差人把撒拉取了去。
Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
但夜间, 神来,在梦中对亚比米勒说:「你是个死人哪!因为你取了那女人来;她原是别人的妻子。」
Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
亚比米勒却还没有亲近撒拉;他说:「主啊,连有义的国,你也要毁灭吗?
Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
那人岂不是自己对我说『她是我的妹子』吗?就是女人也自己说:『他是我的哥哥。』我作这事是心正手洁的。」
Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany.
 神在梦中对他说:「我知道你作这事是心中正直;我也拦阻了你,免得你得罪我,所以我不容你沾著她。
Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
现在你把这人的妻子归还他;因为他是先知,他要为你祷告,使你存活。你若不归还他,你当知道,你和你所有的人都必要死。」
Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
亚比米勒清早起来,召了众臣仆来,将这些事都说给他们听,他们都甚惧怕。
Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
亚比米勒召了亚伯拉罕来,对他说:「你怎么向我这样行呢?我在什么事上得罪了你,你竟使我和我国里的人陷在大罪里?你向我行不当行的事了!」
Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
亚比米勒又对亚伯拉罕说:「你见了什么才做这事呢?」
Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
亚伯拉罕说:「我以为这地方的人总不惧怕 神,必为我妻子的缘故杀我。
Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
况且她也实在是我的妹子;她与我是同父异母,后来作了我的妻子。
Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
当 神叫我离开父家、飘流在外的时候,我对她说:我们无论走到什么地方,你可以对人说:他是我的哥哥;这就是你待我的恩典了。」
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
亚比米勒把牛、羊、仆婢赐给亚伯拉罕,又把他的妻子撒拉归还他。
Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
亚比米勒又说:「看哪,我的地都在你面前,你可以随意居住」;
Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
又对撒拉说:「我给你哥哥一千银子,作为你在閤家人面前遮羞【原文作眼】的,你就在众人面前没有不是了。」
Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
亚伯拉罕祷告 神, 神就医好了亚比米勒和他的妻子,并他的众女仆,他们便能生育。
Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
因耶和华为亚伯拉罕的妻子撒拉的缘故,已经使亚比米勒家中的妇人不能生育。
Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.