Genesis 13

亚伯兰带著他的妻子与罗得,并一切所有的,都从埃及上南地去。
Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
亚伯兰的金、银、牲畜极多。
Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
他从南地渐渐往伯特利去,到了伯特利和艾的中间,就是从前支搭帐棚的地方,
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
也是他起先筑坛的地方;他又在那里求告耶和华的名。
dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
与亚伯兰同行的罗得也有牛群、羊群、帐棚。
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
那地容不下他们;因为他们的财物甚多,使他们不能同居。
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
当时,迦南人与比利洗人在那地居住。亚伯兰的牧人和罗得的牧人相争。
Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kana­nita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
亚伯兰就对罗得说:「你我不可相争,你的牧人和我的牧人也不可相争,因为我们是骨肉【原文作弟兄】。
Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
遍地不都在你眼前吗?请你离开我:你向左,我就向右;你向右,我就向左。」
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
罗得举目看见约旦河的全平原,直到琐珥,都是滋润的,那地在耶和华未灭所多玛、蛾摩拉以先如同耶和华的园子,也像埃及地。
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
于是罗得选择约旦河的全平原,往东迁移;他们就彼此分离了。
Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
亚伯兰住在迦南地,罗得住在平原的城邑,渐渐挪移帐棚,直到所多玛。
Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
所多玛人在耶和华面前罪大恶极。
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
罗得离别亚伯兰以后,耶和华对亚伯兰说:「从你所在的地方,你举目向东西南北观看;
Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
凡你所看见的一切地,我都要赐给你和你的后裔,直到永远。
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
我也要使你的后裔如同地上的尘沙那样多,人若能数算地上的尘沙才能数算你的后裔。
Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
你起来,纵横走遍这地,因为我必把这地赐给你。」
Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.
亚伯兰就搬了帐棚,来到希伯崙幔利的橡树那里居住,在那里为耶和华筑了一座坛。
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.