Galatians 4

我说那承受产业的,虽然是全业的主人,但为孩童的时候却与奴仆毫无分别,
Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;
乃在师傅和管家的手下,直等他父亲预定的时候来到。
fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
我们为孩童的时候,受管于世俗小学之下,也是如此。
Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
及至时候满足, 神就差遣他的儿子,为女子所生,且生在律法以下,
fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
要把律法以下的人赎出来,叫我们得著儿子的名分。
hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
你们既为儿子, 神就差他儿子的灵进入你们(原文作我们)的心,呼叫:阿爸!父!
Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
可见,从此以后,你不是奴仆,乃是儿子了;既是儿子,就靠著 神为后嗣。
Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
但从前你们不认识 神的时候,是给那些本来不是 神的作奴仆;
Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
现在你们既然认识 神,更可说是被 神所认识的,怎么还要归回那懦弱无用的小学,情愿再给他作奴仆呢?
fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
你们谨守日子、月分、节期、年分。
Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
我为你们害怕、惟恐我在你们身上是枉费了工夫。
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
弟兄们,我劝你们要像我一样,因为我也像你们一样。你们一点没有亏负我。
Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
你们知道我头一次传福音给你们,是因为身体有疾病。
nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;
你们为我身体的缘故受试炼,没有轻看我,也没有厌弃我,反倒接待我,如同 神的使者,如同基督耶稣。
ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
你们当日所夸的福气在那里呢?那时你们若能行,就是把自己的眼睛剜出来给我,也都情愿。这是我可以给你们作见证的。
Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
如今我将真理告诉你们,就成了你们的仇敌吗?
Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
那些人热心待你们,却不是好意,是要离间你们(原文是把你们关在外面),叫你们热心待他们。
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
在善事上,常用热心待人原是好的,却不单我与你们同在的时候才这样。
Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
我小子啊,我为你们再受生产之苦,直等到基督成形在你们心里。
Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
我巴不得现今在你们那里,改换口气,因我为你们心里作难。
enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
你们这愿意在律法以下的人,请告诉我,你们岂没有听见律法吗?
Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
因为律法上记著,亚伯拉罕有两个儿子,一个是使女生的,一个是自主之妇人生的。
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
然而,那使女所生的是按著血气生的;那自主之妇人所生的是凭著应许生的。
Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
这都是比方:那两个妇人就是两约。一约是出于西奈山,生子为奴,乃是夏甲。
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
这夏甲二字是指著阿拉伯的西奈山,与现在的耶路撒冷同类,因耶路撒冷和她的儿女都是为奴的。
Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany.
但那在上的耶路撒冷是自主的,她是我们的母。
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
因为经上记著:不怀孕、不生养的,你要欢乐;未曾经过产难的,你要高声欢呼;因为没有丈夫的,比有丈夫的儿女更多。
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).
弟兄们,我们是凭著应许作儿女,如同以撒一样。
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
当时,那按著血气生的逼迫了那按著圣灵生的,现在也是这样。
Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
然而经上是怎么说的呢?是说:把使女和她儿子赶出去!因为使女的儿子不可与自主妇人的儿子一同承受产业。
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
弟兄们,这样看来,我们不是使女的儿女,乃是自主妇人的儿女了。
Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.