Galatians 1

作使徒的保罗(不是由于人,也不是借著人,乃是借著耶稣基督,与叫他从死里复活的父 神)
Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
和一切与我同在的众弟兄,写信给加拉太的各教会。
mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
愿恩惠、平安从父 神与我们的主耶稣基督归与你们!
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
基督照我们父 神的旨意,为我们的罪舍己,要救我们脱离这罪恶的世代。
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika;
但愿荣耀归于 神,直到永永远远。阿们!
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
我希奇你们这么快离开那借著基督之恩召你们的,去从别的福音。
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
那并不是福音,不过有些人搅扰你们,要把基督的福音更改了。
izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
但无论是我们,是天上来的使者,若传福音给你们,与我们所传给你们的不同,他就应当被咒诅。
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
我们已经说了,现在又说,若有人传福音给你们,与你们所领受的不同,他就应当被咒诅。
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
我现在是要得人的心呢?还是要得 神的心呢?我岂是讨人的喜欢吗?若仍旧讨人的喜欢,我就不是基督的仆人了。
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
弟兄们,我告诉你们,我素来所传的福音不是出于人的意思。
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
因为我不是从人领受的,也不是人教导我的,乃是从耶稣基督启示来的。
Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
你们听见我从前在犹太教中所行的事,怎样极力逼迫残害 神的教会。
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
我又在犹太教中,比我本国许多同岁的人更有长进,为我祖宗的遗传更加热心。
ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
然而,那把我从母腹里分别出来、又施恩召我的 神,
Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
既然乐意将他儿子启示在我心里,叫我把他传在外邦人中,我就没有与属血气的人商量,
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
也没有上耶路撒冷去见那些比我先作使徒的,惟独往阿拉伯去,后又回到大马士革。
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
过了三年,才上耶路撒冷去见矶法,和他同住了十五天。
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
至于别的使徒,除了主的兄弟雅各,我都没有看见。
Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo.
我写给你们的不是谎话,这是我在 神面前说的。
Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
以后我到了叙利亚和基利家境内。
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
那时,犹太信基督的各教会都没有见过我的面。
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko.
不过听说那从前逼迫我们的,现在传扬他原先所残害的真道。
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .
他们就为我的缘故,归荣耀给 神。
Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.