Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.
Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.