Ezekiel 39

「人子啊,你要向歌革发预言攻击他,说主耶和华如此说:罗施、米设、土巴的王歌革啊,我与你为敌。
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
我必调转你,领你前往,使你从北方的极处上来,带你到以色列的山上。
Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
我必从你左手打落你的弓,从你右手打掉你的箭。
Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.
你和你的军队,并同著你的列国人,都必倒在以色列的山上。我必将你给各类的鸷鸟和田野的走兽作食物。
Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
你必倒在田野,因为我曾说过。这是主耶和华说的。
Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
我要降火在玛各和海岛安然居住的人身上,他们就知道我是耶和华。
Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
「我要在我民以色列中显出我的圣名,也不容我的圣名再被亵渎,列国人就知道我是耶和华─以色列中的圣者。
Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
主耶和华说:这日事情临近,也必成就,乃是我所说的日子。
Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
「住以色列城邑的人必出去捡器械,就是大小盾牌、弓箭、梃杖、枪矛,都当柴烧火,直烧七年,
Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
甚至他们不必从田野捡柴,也不必从树林伐木;因为他们要用器械烧火,并且抢夺那抢夺他们的人,掳掠那掳掠他们的人。这是主耶和华说的。」
fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
「当那日,我必将以色列地的谷,就是海东人所经过的谷,赐给歌革为坟地,使经过的人到此停步。在那里人必葬埋歌革和他的群众,就称那地为哈们‧歌革谷。
Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.
以色列家的人必用七个月葬埋他们,为要洁净全地。
Ary fito volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
全地的居民都必葬埋他们。当我得荣耀的日子,这事必叫他们得名声。这是主耶和华说的。
Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
他们必分派人时常巡查遍地,与过路的人一同葬埋那剩在地面上的尸首,好洁净全地。过了七个月,他们还要巡查。
Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
巡查遍地的人要经过全地,见有人的骸骨,就在旁边立一标记,等葬埋的人来将骸骨葬在哈们‧歌革谷。
ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
他们必这样洁净那地,并有一城名叫哈摩那。
Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.
「人子啊,主耶和华如此说:你要对各类的飞鸟和田野的走兽说:你们聚集来吧,要从四方聚到我为你们献祭之地,就是在以色列山上献大祭之地,好叫你们吃肉、喝血。
Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
你们必吃勇士的肉,喝地上首领的血,就如吃公绵羊、羊羔、公山羊、公牛,都是巴珊的肥畜。
Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
你们吃我为你们所献的祭,必吃饱了脂油,喝醉了血。
Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
你们必在我席上饱吃马匹和坐车的人,并勇士和一切的战士。这是主耶和华说的。」
Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
「我必显我的荣耀在列国中;万民就必看见我所行的审判与我在他们身上所加的手。
Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
这样,从那日以后,以色列家必知道我是耶和华─他们的 神。
Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.
列国人也必知道以色列家被掳掠是因他们的罪孽。他们得罪我,我就掩面不顾,将他们交在敌人手中,他们便都倒在刀下。
Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
我是照他们的污秽和罪过待他们,并且我掩面不顾他们。」
Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
主耶和华如此说:「我要使雅各被掳的人归回,要怜悯以色列全家,又为我的圣名发热心。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
他们在本地安然居住,无人惊吓,是我将他们从万民中领回,从仇敌之地召来。我在许多国的民眼前,在他们身上显为圣的时候,他们要担当自己的羞辱和干犯我的一切罪。
Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,
并入上节
rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
因我使他们被掳到外邦人中,后又聚集他们归回本地,他们就知道我是耶和华─他们的 神;我必不再留他们一人在外邦。
dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
我也不再掩面不顾他们,因我已将我的灵浇灌以色列家。这是主耶和华说的。」
Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.