Ezekiel 34

耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要向以色列的牧人发预言,攻击他们,说,主耶和华如此说:祸哉!以色列的牧人只知牧养自己。牧人岂不当牧养群羊吗?
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
你们吃脂油、穿羊毛、宰肥壮的,却不牧养群羊。
Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
瘦弱的,你们没有养壮;有病的,你们没有医治;受伤的,你们没有缠裹;被逐的,你们没有领回;失丧的,你们没有寻找;但用强暴严严地辖制。
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
因无牧人,羊就分散;既分散,便作了一切野兽的食物。
Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.
我的羊在诸山间、在各高冈上流离,在全地上分散,无人去寻,无人去找。
Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
「所以,你们这些牧人要听耶和华的话。
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
主耶和华说:我指著我的永生起誓,我的羊因无牧人就成为掠物,也作了一切野兽的食物。我的牧人不寻找我的羊;这些牧人只知牧养自己,并不牧养我的羊。
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
所以你们这些牧人要听耶和华的话。
dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
主耶和华如此说:我必与牧人为敌,必向他们的手追讨我的羊,使他们不再牧放群羊;牧人也不再牧养自己。我必救我的羊脱离他们的口,不再作他们的食物。」
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
「主耶和华如此说:看哪,我必亲自寻找我的羊,将牠们寻见。
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
牧人在羊群四散的日子怎样寻找他的羊,我必照样寻找我的羊。这些羊在密云黑暗的日子散到各处,我必从那里救回牠们来。
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
我必从万民中领出牠们,从各国内聚集牠们,引导牠们归回故土,也必在以色列山上─一切溪水旁边、境内一切可居之处─牧养牠们。
Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
我必在美好的草场牧养牠们。牠们的圈必在以色列高处的山上,牠们必在佳美之圈中躺卧,也在以色列山肥美的草场吃草。
Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
主耶和华说:我必亲自作我羊的牧人,使牠们得以躺卧。
Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
失丧的,我必寻找;被逐的,我必领回;受伤的,我必缠裹;有病的,我必医治;只是肥的壮的,我必除灭,也要秉公牧养牠们。
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
「我的羊群哪,论到你们,主耶和华如此说:我必在羊与羊中间、公绵羊与公山羊中间施行判断。
Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
你们这些肥壮的羊,在美好的草场吃草还以为小事吗?剩下的草,你们竟用蹄践踏了;你们喝清水,剩下的水,你们竟用蹄搅浑了。
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
至于我的羊,只得吃你们所践踏的,喝你们所搅浑的。
Ary ny amin'ny ondriko, moa izay voahosihosin'ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
「所以,主耶和华如此说:我必在肥羊和瘦羊中间施行判断。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia.
因为你们用胁用肩拥挤一切瘦弱的,又用角牴触,以致使牠们四散。
Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
所以,我必拯救我的群羊不再作掠物;我也必在羊和羊中间施行判断。
dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany.
我必立一牧人照管他们,牧养他们,就是我的仆人大卫。他必牧养他们,作他们的牧人。
Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
我─耶和华必作他们的 神,我的仆人大卫必在他们中间作王。这是耶和华说的。
Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
「我必与他们立平安的约,使恶兽从境内断绝,他们就必安居在旷野,躺卧在林中。
Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
我必使他们与我山的四围成为福源,我也必叫时雨落下,必有福如甘霖而降。
Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
田野的树必结果,地也必有出产;他们必在故土安然居住。我折断他们所负的轭,救他们脱离那以他们为奴之人的手;那时,他们就知道我是耶和华。
Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.
他们必不再作外邦人的掠物,地上的野兽也不再吞吃他们;却要安然居住,无人惊吓。
Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
我必给他们兴起有名的植物;他们在境内不再为饥荒所灭,也不再受外邦人的羞辱,
Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
必知道我、耶和华─他们的 神是与他们同在的,并知道他们─以色列家是我的民。这是主耶和华说的。
ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
你们作我的羊,我草场上的羊,乃是以色列人,我也是你们的 神。这是主耶和华说的。」
Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.