Ezekiel 25

耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要面向亚扪人说预言,攻击他们,
Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
说:你们当听主耶和华的话。主耶和华如此说:我的圣所被亵渎,以色列地变荒凉,犹大家被掳掠;那时,你便因这些事说:『阿哈!』
ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
所以我必将你的地交给东方人为业;他们必在你的地上安营居住,吃你的果子,喝你的奶。
Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
我必使拉巴为骆驼场,使亚扪人的地为羊群躺卧之处,你们就知道我是耶和华。」
Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
主耶和华如此说:「因你拍手顿足,以满心的恨恶向以色列地欢喜,
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
所以我伸手攻击你,将你交给列国作为掳物。我必从万民中剪除你,使你从万国中败亡。我必除灭你,你就知道我是耶和华。」
Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
主耶和华如此说:「因摩押和西珥人说:『看哪,犹大家与列国无异』,
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
所以我要破开摩押边界上的城邑,就是摩押人看为本国之荣耀的伯‧耶西末、巴力‧免、基列亭,
Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
好使东方人来攻击亚扪人。我必将亚扪人之地交给他们为业,使亚扪人在列国中不再被记念。
Ho an'ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak'i Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
我必向摩押施行审判,他们就知道我是耶和华。」
Ary hotanterahiko ny fitsarana an'i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
主耶和华如此说:「因为以东报仇雪恨,攻击犹大家,向他们报仇,大大有罪,
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
所以主耶和华如此说:我必伸手攻击以东,剪除人与牲畜,使以东从提幔起,人必倒在刀下,地要变为荒凉,直到底但。
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.
我必借我民以色列的手报复以东;以色列民必照我的怒气,按我的忿怒在以东施报,以东人就知道是我施报。这是主耶和华说的。」
Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
主耶和华如此说:「因非利士人向犹大人报仇,就是以恨恶的心报仇雪恨,永怀仇恨,要毁灭他们,
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
所以主耶和华如此说:我必伸手攻击非利士人,剪除基利提人,灭绝沿海剩下的居民。
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
我向他们大施报应,发怒斥责他们。我报复他们的时候,他们就知道我是耶和华。」
Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.