Ezekiel 2

他对我说:「人子啊,你站起来,我要和你说话。」
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.
他对我说话的时候,灵就进入我里面,使我站起来,我便听见那位对我说话的声音。
Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.
他对我说:「人子啊,我差你往悖逆的国民以色列人那里去。他们是悖逆我的,他们和他们的列祖违背我,直到今日。
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.
这众子面无羞耻,心里刚硬。我差你往他们那里去,你要对他们说:主耶和华如此说。
Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
他们或听,或不听,(他们是悖逆之家),必知道在他们中间有了先知。
Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
人子啊,虽有荆棘和蒺藜在你那里,你又住在蠍子中间,总不要怕他们,也不要怕他们的话;他们虽是悖逆之家,还不要怕他们的话,也不要因他们的脸色惊惶。
Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
他们或听,或不听,你只管将我的话告诉他们;他们是极其悖逆的。
Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
人子啊,要听我对你所说的话,不要悖逆像那悖逆之家,你要开口吃我所赐给你的。」
Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
我观看,见有一只手向我伸出来,手中有一书卷。
Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
他将书卷在我面前展开,内外都写著字,其上所写的有哀号、叹息、悲痛的话。
Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.