Ezekiel 19

你当为以色列的王作起哀歌,
Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
说:你的母亲是什么呢?是个母狮子,蹲伏在狮子中间,在少壮狮子中养育小狮子。
ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?
在牠小狮子中养大一个,成了少壮狮子,学会抓食而吃人。
Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
列国听见了就把他捉在他们的坑中,用钩子拉到埃及地去。
Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
母狮见自己等候失了指望,就从牠小狮子中又将一个养为少壮狮子。
Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
牠在众狮子中走来走去,成了少壮狮子,学会抓食而吃人。
Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
他知道列国的宫殿,又使他们的城邑变为荒场;因他咆哮的声音,遍地和其中所有的就都荒废。
Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.
于是四围邦国各省的人来攻击他,将网撒在他身上,捉在他们的坑中。
Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
他们用钩子钩住他,将他放在笼中,带到巴比伦王那里,将他放入坚固之所,使他的声音在以色列山上不再听见。
Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
你的母亲先前如葡萄树,极其茂盛(原文是在你血中),栽于水旁。因为水多,就多结果子,满生枝子;
Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,
生出坚固的枝干,可作掌权者的杖。这枝干高举在茂密的枝中,而且它生长高大,枝子繁多,远远可见。
Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
但这葡萄树因忿怒被拔出摔在地上;东风吹干其上的果子,坚固的枝干折断枯干,被火烧毁了;
Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
如今栽于旷野干旱无水之地。
Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.
火也从它枝干中发出,烧灭果子,以致没有坚固的枝干可作掌权者的杖。这是哀歌,也必用以作哀歌。
Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.