Ezekiel 18

耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「你们在以色列地怎么用这俗语说『父亲吃了酸葡萄,儿子的牙酸倒了』呢?」
Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
主耶和华说:「我指著我的永生起誓,你们在以色列中,必不再有用这俗语的因由。
Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny Isiraely intsony.
看哪,世人都是属我的;为父的怎样属我,为子的也照样属我;犯罪的,他必死亡。
Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
「人若是公义,且行正直与合理的事:
Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
未曾在山上吃过祭偶像之物,未曾仰望以色列家的偶像,未曾玷污邻舍的妻,未曾在妇人的经期内亲近她,
fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
未曾亏负人,乃将欠债之人的当头还给他;未曾抢夺人的物件,却将食物给饥饿的人吃,将衣服给赤身的人穿;
na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
未曾向借钱的弟兄取利,也未曾向借粮的弟兄多要,缩手不作罪孽,在两人之间,按至理判断;
tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
遵行我的律例,谨守我的典章,按诚实行事─这人是公义的,必定存活。这是主耶和华说的。
ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
「他若生一个儿子,作强盗,是流人血的,不行以上所说之善,反行其中之恶,乃在山上吃过祭偶像之物,并玷污邻舍的妻,
Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny
并入上节
(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,
亏负困苦和穷乏的人,抢夺人的物,未曾将当头还给人,仰望偶像,并行可憎的事,
na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
向借钱的弟兄取利,向借粮的弟兄多要─这人岂能存活呢?他必不能存活。他行这一切可憎的事,必要死亡,他的罪(原文是血)必归到他身上。
na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
「他若生一个儿子,见父亲所犯的一切罪便惧怕(有古卷:思量),不照样去做;
Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
未曾在山上吃过祭偶像之物,未曾仰望以色列家的偶像,未曾玷污邻舍的妻,
ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
未曾亏负人,未曾取人的当头,未曾抢夺人的物件,却将食物给饥饿的人吃,将衣服给赤身的人穿,
na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
缩手不害贫穷人,未曾向借钱的弟兄取利,也未曾向借粮的弟兄多要;他顺从我的典章,遵行我的律例,就不因父亲的罪孽死亡,定要存活。
miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
至于他父亲;因为欺人太甚,抢夺弟兄,在本国的民中行不善,他必因自己的罪孽死亡。
Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
「你们还说:『儿子为何不担当父亲的罪孽呢?』儿子行正直与合理的事,谨守遵行我的一切律例,他必定存活。
Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
惟有犯罪的,他必死亡。儿子必不担当父亲的罪孽,父亲也不担当儿子的罪孽。义人的善果必归自己,恶人的恶报也必归自己。
Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
「恶人若回头离开所做的一切罪恶,谨守我一切的律例,行正直与合理的事,他必定存活,不致死亡。
Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
他所犯的一切罪过都不被记念,因所行的义,他必存活。
Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
主耶和华说:恶人死亡,岂是我喜悦的吗?不是喜悦他回头离开所行的道存活吗?
Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?
义人若转离义行而作罪孽,照著恶人所行一切可憎的事而行,他岂能存活吗?他所行的一切义都不被记念;他必因所犯的罪、所行的恶死亡。
Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
「你们还说:『主的道不公平!』以色列家啊,你们当听,我的道岂不公平吗?你们的道岂不是不公平吗?
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
义人若转离义行而作罪孽死亡,他是因所作的罪孽死亡。
Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
再者,恶人若回头离开所行的恶,行正直与合理的事,他必将性命救活了。
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
因为他思量,回头离开所犯的一切罪过,必定存活,不致死亡。
Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
以色列家还说:『主的道不公平!』以色列家啊,我的道岂不公平吗?你们的道岂不是不公平吗?」
Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
所以主耶和华说:「以色列家啊,我必按你们各人所行的审判你们。你们当回头离开所犯的一切罪过。这样,罪孽必不使你们败亡。
Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
你们要将所犯的一切罪过尽行抛弃,自做一个新心和新灵。以色列家啊,你们何必死亡呢?
Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
主耶和华说:我不喜悦那死人之死,所以你们当回头而存活。」
Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.