Ezekiel 17

耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要向以色列家出谜语,设比喻,
Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
说主耶和华如此说:有一大鹰,翅膀大,翎毛长,羽毛丰满,彩色俱备,来到黎巴嫩,将香柏树梢拧去,
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
就是折去香柏树尽尖的嫩枝,叼到贸易之地,放在买卖城中;
ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.
又将以色列地的枝子栽于肥田里,插在大水旁,如插柳树,
Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
就渐渐生长,成为蔓延矮小的葡萄树。其枝转向那鹰,其根在鹰以下,于是成了葡萄树,生出枝子,发出小枝。
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
又有一大鹰,翅膀大,羽毛多。这葡萄树从栽种的畦中向这鹰弯过根来,发出枝子,好得它的浇灌。
Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
这树栽于肥田多水的旁边,好生枝子,结果子,成为佳美的葡萄树。
Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
你要说,主耶和华如此说:这葡萄树岂能发旺呢?鹰岂不拔出它的根来,芟除它的果子,使它枯干,使它发的嫩叶都枯干了吗?也不用大力和多民,就拔出它的根来。
Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.
葡萄树虽然栽种,岂能发旺呢?一经东风,岂不全然枯干吗?必在生长的畦中枯干了。」
Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.
耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「你对那悖逆之家说:你们不知道这些事是什么意思么?你要告诉他们说,巴比伦王曾到耶路撒冷,将其中的君王和首领带到巴比伦自己那里去。
Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
从以色列的宗室中取一人与他立约,使他发誓,并将国中有势力的人掳去,
Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
使国低微不能自强,惟因守盟约得以存立。
mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
他却背叛巴比伦王,打发使者往埃及去,要他们给他马匹和多民。他岂能亨通呢?行这样事的人岂能逃脱呢?他背约岂能逃脱呢?
Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
他轻看向王所起的誓,背弃王与他所立的约。主耶和华说:我指著我的永生起誓,他定要死在立他作王、巴比伦王的京都。
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
敌人筑垒造台,与他打仗的时候,为要剪除多人,法老虽领大军队和大群众,还是不能帮助他。
Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
他轻看誓言,背弃盟约,已经投降,却又做这一切的事,他必不能逃脱。」
Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
所以主耶和华如此说:「我指著我的永生起誓,他既轻看指我所起的誓,背弃指我所立的约,我必要使这罪归在他头上。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
我必将我的网撒在他身上,他必在我的网罗中缠住。我必带他到巴比伦,并要在那里因他干犯我的罪刑罚他。
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
他的一切军队,凡逃跑的,都必倒在刀下;所剩下的,也必分散四方(方:原文是风)。你们就知道说这话的是我─耶和华。」
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
主耶和华如此说:「我要将香柏树梢拧去栽上,就是从尽尖的嫩枝中折一嫩枝,栽于极高的山上;
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
在以色列高处的山栽上。它就生枝子,结果子,成为佳美的香柏树,各类飞鸟都必宿在其下,就是宿在枝子的荫下。
Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
田野的树木都必知道我─耶和华使高树矮小,矮树高大;青树枯干,枯树发旺。我─耶和华如此说,也如此行了。」
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.