Ezekiel 13

耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你要说预言攻击以色列中说预言的先知,对那些本己心发预言的说:『你们当听耶和华的话。』」
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
主耶和华如此说:「愚顽的先知有祸了,他们随从自己的心意,却一无所见。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
以色列啊,你的先知好像荒场中的狐狸,
Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
没有上去堵挡破口,也没有为以色列家重修墙垣,使他们当耶和华的日子在阵上站立得住。
Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.
这些人所见的是虚假,是谎诈的占卜。他们说是耶和华说的,其实耶和华并没有差遣他们,他们倒使人指望那话必然立定。
Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny
你们岂不是见了虚假的异象吗?岂不是说了谎诈的占卜吗?你们说,这是耶和华说的,其实我没有说。」
Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
所以主耶和华如此说:「因你们说的是虚假,见的是谎诈,我就与你们反对。这是主耶和华说的。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
我的手必攻击那见虚假异象、用谎诈占卜的先知,他们必不列在我百姓的会中,不录在以色列家的册上,也不进入以色列地;你们就知道我是主耶和华。
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
因为他们诱惑我的百姓,说:『平安!』其实没有平安,就像有人立起墙壁,他们倒用未泡透的灰抹上。
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,
所以你要对那些抹上未泡透灰的人说:『墙要倒塌,必有暴雨漫过。大冰雹啊,你们要降下,狂风也要吹裂这墙。』
koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
这墙倒塌之后,人岂不问你们说:『你们抹上未泡透的灰在哪里呢?』」
Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
所以主耶和华如此说:「我要发怒,使狂风吹裂这墙,在怒中使暴雨漫过,又发怒降下大冰雹,毁灭这墙。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
我要这样拆毁你们那未泡透灰所抹的墙,拆平到地,以致根基露出,墙必倒塌,你们也必在其中灭亡;你们就知道我是耶和华。
Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
我要这样向墙和用未泡透灰抹墙的人成就我怒中所定的,并要对你们说:『墙和抹墙的人都没有了。』
Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
这抹墙的就是以色列的先知,他们指著耶路撒冷说预言,为这城见了平安的异象,其实没有平安。这是主耶和华说的。」
dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
「人子啊,你要面向本民中、从己心发预言的女子说预言,攻击她们,
Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
说主耶和华如此说:『这些妇女有祸了!她们为众人的膀臂缝靠枕,给高矮之人做下垂的头巾,为要猎取人的性命。难道你们要猎取我百姓的性命,为利己将人救活吗?
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!
你们为两把大麦,为几块饼,在我民中亵渎我,对肯听谎言的民说谎,杀死不该死的人,救活不该活的人。』」
Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
所以主耶和华如此说:「看哪,我与你们的靠枕反对,就是你们用以猎取人、使人的性命如鸟飞的。我要将靠枕从你们的膀臂上扯去,释放你们猎取如鸟飞的人。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
我也必撕裂你们下垂的头巾,救我百姓脱离你们的手,不再被猎取,落在你们手中。你们就知道我是耶和华。
Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
我不使义人伤心,你们却以谎话使他伤心,又坚固恶人的手,使他不回头离开恶道得以救活。
Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
你们就不再见虚假的异象,也不再行占卜的事;我必救我的百姓脱离你们的手;你们就知道我是耶和华。」
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.