Ezekiel 12

耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你住在悖逆的家中。他们有眼睛看不见,有耳朵听不见,因为他们是悖逆之家。
Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
所以人子啊,你要预备掳去使用的物件,在白日当他们眼前从你所住的地方移到别处去;他们虽是悖逆之家,或者可以揣摩思想。
Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
你要在白日当他们眼前带出你的物件去,好像预备掳去使用的物件。到了晚上,你要在他们眼前亲自出去,像被掳的人出去一样。
Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
你要在他们眼前挖通了墙,从其中将物件带出去。
Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
到天黑时,你要当他们眼前搭在肩头上带出去,并要蒙住脸看不见地,因为我立你作以色列家的预兆。」
Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
我就照著所吩咐的去行,白日带出我的物件,好像预备掳去使用的物件。到了晚上,我用手挖通了墙。天黑的时候,就当他们眼前搭在肩头上带出去。
Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
次日早晨,耶和华的话临到我说:
Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,以色列家,就是那悖逆之家,岂不是问你说:『你做什么呢?』
Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
你要对他们说:『主耶和华如此说:这是关乎耶路撒冷的君王和他周围以色列全家的预表(原文是担子)。』
Ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
你要说:『我作你们的预兆:我怎样行,他们所遭遇的也必怎样,他们必被掳去。』
Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
他们中间的君王也必在天黑的时候将物件搭在肩头上带出去。他们要挖通了墙,从其中带出去。他必蒙住脸,眼看不见地。
Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.
我必将我的网撒在他身上,他必在我的网罗中缠住。我必带他到迦勒底人之地的巴比伦;他虽死在那里,却看不见那地。
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
周围一切帮助他的和他所有的军队,我必分散四方(方:原文是风),也要拔刀追赶他们。
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
我将他们四散在列国、分散在列邦的时候,他们就知道我是耶和华。
Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any amin'ny tany samy hafa izy.
我却要留下他们几个人得免刀剑、饥荒、瘟疫,使他们在所到的各国中述说他们一切可憎的事,人就知道我是耶和华。」
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
耶和华的话又临到我说:
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,你吃饭必胆战,喝水必惶惶忧虑。
Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.
你要对这地的百姓说:主耶和华论耶路撒冷和以色列地的居民如此说,他们吃饭必忧虑,喝水必惊惶。因其中居住的众人所行强暴的事,这地必然荒废,一无所存。
Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
有居民的城邑必变为荒场,地也必变为荒废;你们就知道我是耶和华。」
Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,在你们以色列地怎么有这俗语,说『日子迟延,一切异象都落了空』呢?
Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
你要告诉他们说:『主耶和华如此说:我必使这俗语止息,以色列中不再用这俗语。』你却要对他们说:『日子临近,一切的异象必都应验。』
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.
从此,在以色列家中必不再有虚假的异象和奉承的占卜。
Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
我─耶和华说话,所说的必定成就,不再耽延。你们这悖逆之家,我所说的话必趁你们在世的日子成就。这是主耶和华说的。」
Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
耶和华的话又临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「人子啊,以色列家的人说:『他所见的异象是关乎后来许多的日子,所说的预言是指著极远的时候。』
Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
所以你要对他们说:『主耶和华如此说:我的话没有一句再耽延的,我所说的必定成就。这是主耶和华说的。』」
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.