Exodus 36

比撒列和亚何利亚伯,并一切心里有智慧的,就是蒙耶和华赐智慧聪明、叫他知道做圣所各样使用之工的,都要照耶和华所吩咐的做工。」
Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
凡耶和华赐他心里有智慧、而且受感前来做这工的,摩西把他们和比撒列并亚何利亚伯一同召来。
Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
这些人就从摩西收了以色列人为做圣所并圣所使用之工所拿来的礼物。百姓每早晨还把甘心献的礼物拿来。
Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
凡做圣所一切工的智慧人各都离开他所作的工,
Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,
来对摩西说:「百姓为耶和华吩咐使用之工所拿来的,富富有余。」
ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
摩西传命,他们就在全营中宣告说:「无论男女,不必再为圣所拿什么礼物来。」这样才拦住百姓不再拿礼物来。
Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
因为他们所有的材料够做一切当做的物,而且有余。
fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
他们中间,凡心里有智慧做工的,用十幅幔子做帐幕。这幔子是比撒列用撚的细麻和蓝色、紫色、朱红色线制造的,并用巧匠的手工绣上基路伯。
Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
每幅幔子长二十八肘,宽四肘,都是一样的尺寸。
Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
他使这五幅幔子幅幅相连,又使那五幅幔子幅幅相连;
Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
在这相连的幔子末幅边上做蓝色的钮扣,在那相连的幔子末幅边上也照样做;
Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
在这相连的幔子上做五十个钮扣,在那相连的幔子上也做五十个钮扣,都是两两相对;
Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
又做五十个金钩,使幔子相连。这才成了一个帐幕。
Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
他用山羊毛织十一幅幔子,作为帐幕以上的罩棚。
Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
每幅幔子长三十肘,宽四肘;十一幅幔子都是一样的尺寸。
Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
他把五幅幔子连成一幅,又把六幅幔子连成一幅;
Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
在这相连的幔子末幅边上做五十个钮扣,在那相连的幔子末幅边上也做五十个钮扣;
Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
又做五十个铜钩,使罩棚连成一个;
Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
并用染红的公羊皮做罩棚的盖,再用海狗皮做一层罩棚上的顶盖。
Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
他用皂荚木做帐幕的竖板。
Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
每块长十肘,宽一肘半;
Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
每块有两榫相对。帐幕一切的板都是这样做。
Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
帐幕的南面做板二十块。
Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
在这二十块板底下又做四十个带卯的银座:两卯接这块板上的两榫,两卯接那块板上的两榫。
Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
帐幕的第二面,就是北面,也做板二十块
Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
和带卯的银座四十个:这板底下有两卯,那板底下也有两卯。
Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
帐幕的后面,就是西面,做板六块。
Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
帐幕后面的拐角做板两块。
Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
板的下半截是双的,上半截是整的,直到第一个环子;在帐幕的两个拐角上都是这样做。
Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
有八块板和十六个带卯的银座,每块板底下有两卯。
Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
他用皂荚木做闩:为帐幕这面的板做五闩,
Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
为帐幕那面的板做五闩,又为帐幕后面的板做五闩,
sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
使板腰间的中闩从这一头通到那一头。
Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
用金子将板包裹,又做板上的金环套闩;闩也用金子包裹。
Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
他用蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻织幔子,以巧匠的手工绣上基路伯。
Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
为幔子做四根皂荚木柱子,用金包裹,柱子上有金钩,又为柱子铸了四个带卯的银座。
Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.
拿蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻,用绣花的手工织帐幕的门帘;
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
又为帘子做五根柱子和柱子上的钩子,用金子把柱顶和柱子上的杆子包裹。柱子有五个带卯的座,是铜的。
Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.