Exodus 35

摩西招聚以色列全会众,对他们说:「这是耶和华所吩咐的话,叫你们照著行:
Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:
六日要做工,第七日乃为圣日,当向耶和华守为安息圣日。凡这日之内做工的,必把他治死。
Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
当安息日,不可在你们一切的住处生火。」
Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
摩西对以色列全会众说:「耶和华所吩咐的是这样:
Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
你们中间要拿礼物献给耶和华,凡乐意献的可以拿耶和华的礼物来,就是金、银、铜,
Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
蓝色、紫色、朱红色线,细麻,山羊毛,
ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy
染红的公羊皮,海狗皮,皂荚木,
sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
点灯的油,并做膏油和香的香料,
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
红玛瑙与别样的宝石,可以镶嵌在以弗得和胸牌上。」
ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.
「你们中间凡心里有智慧的都要来做耶和华一切所吩咐的:
Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:
就是帐幕和帐幕的罩棚,并帐幕的盖、钩子、板、闩、柱子、带卯的座,
dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
柜和柜的杠,施恩座和遮掩柜的幔子,
ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
桌子和桌子的杠与桌子的一切器具,并陈设饼,
ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
灯台和灯台的器具,灯盏并点灯的油,
ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
香坛和坛的杠,膏油和馨香的香料,并帐幕门口的帘子,
ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,
燔祭坛和坛的铜网,坛的杠并坛的一切器具,洗濯盆和盆座,
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
院子的帷子和帷子的柱子,带卯的座和院子的门帘,
ary ny fefy lamba ho amin'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja,
帐幕的橛子并院子的橛子,和这两处的绳子,
ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
精工做的礼服和祭司亚伦并他儿子在圣所用以供祭司职分的圣衣。」
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
以色列全会众从摩西面前退去。
Dia niala teo anatrehan'i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
凡心里受感和甘心乐意的都拿耶和华的礼物来,用以做会幕和其中一切的使用,又用以做圣衣。
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
凡心里乐意献礼物的,连男带女,各将金器,就是胸前鍼、耳环(或作:鼻环)、打印的戒指,和手钏带来献给耶和华。
Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
凡有蓝色、紫色、朱红色线,细麻,山羊毛,染红的公羊皮,海狗皮的,都拿了来;
Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
凡献银子和铜给耶和华为礼物的都拿了来;凡有皂荚木可做什么使用的也拿了来。
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
凡心中有智慧的妇女亲手纺线,把所纺的蓝色、紫色、朱红色线,和细麻都拿了来。
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
凡有智慧、心里受感的妇女就纺山羊毛。
Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.
众官长把红玛瑙和别样的宝石,可以镶嵌在以弗得与胸牌上的,都拿了来;
Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,
又拿香料做香,拿油点灯,做膏油。
ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.
以色列人,无论男女,凡甘心乐意献礼物给耶和华的,都将礼物拿来,做耶和华借摩西所吩咐的一切工。
Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
摩西对以色列人说:「犹大支派中,户珥的孙子、乌利的儿子比撒列,耶和华已经题他的名召他,
Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,
又以 神的灵充满了他,使他有智慧、聪明、知识,能做各样的工,
ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,
能想出巧工,用金、银、铜制造各物,
dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
又能刻宝石,可以镶嵌,能雕刻木头,能做各样的巧工。
ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
耶和华又使他,和但支派中亚希撒抹的儿子亚何利亚伯,心里灵明,能教导人。
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.
耶和华使他们的心满有智慧,能做各样的工,无论是雕刻的工,巧匠的工,用蓝色、紫色、朱红色线,和细麻、绣花的工,并机匠的工,他们都能做,也能想出奇巧的工。
Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.