Exodus 33

耶和华吩咐摩西说:「我曾起誓应许亚伯拉罕、以撒、雅各说:『要将迦南地赐给你的后裔。现在你和你从埃及地所领出来的百姓,要从这里往那地去。
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
我要差遣使者在你前面,撵出迦南人、亚摩利人、赫人、比利洗人、希未人、耶布斯人,
Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
领你到那流奶与蜜之地。我自己不同你们上去;因为你们是硬著颈项的百姓,恐怕我在路上把你们灭绝。」
dia ho amin'izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
百姓听见这凶信就悲哀,也没有人佩戴妆饰。
Ary rehefa ren'ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
耶和华对摩西说:「你告诉以色列人说:『耶和华说:你们是硬著颈项的百姓,我若一霎时临到你们中间,必灭绝你们。现在你们要把身上的妆饰摘下来,使我可以知道怎样待你们。』」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
以色列人从住何烈山以后,就把身上的妆饰摘得干净。
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
摩西素常将帐棚支搭在营外,离营却远,他称这帐棚为会幕。凡求问耶和华的,就到营外的会幕那里去。
Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.
当摩西出营到会幕去的时候,百姓就都起来,各人站在自己帐棚的门口,望著摩西,直等到他进了会幕。
Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
摩西进会幕的时候,云柱降下来,立在会幕的门前,耶和华便与摩西说话。
Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.
众百姓看见云柱立在会幕门前,就都起来,各人在自己帐棚的门口下拜。
Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.
耶和华与摩西面对面说话,好像人与朋友说话一般。摩西转到营里去,惟有他的帮手─一个少年人嫩的儿子约书亚不离开会幕。
Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin'ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny lay.
摩西对耶和华说:「你吩咐我说:『将这百姓领上去』,却没有叫我知道你要打发谁与我同去,只说:『我按你的名认识你,你在我眼前也蒙了恩。』
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
我如今若在你眼前蒙恩,求你将你的道指示我,使我可以认识你,好在你眼前蒙恩。求你想到这民是你的民。」
Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
耶和华说:「我必亲自和你同去,使你得安息。」
Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
摩西说:「你若不亲自和我同去,就不要把我们从这里领上去。
Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
人在何事上得以知道我和你的百姓在你眼前蒙恩呢?岂不是因你与我们同去、使我和你的百姓与地上的万民有分别吗?」
Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
耶和华对摩西说:「你这所求的我也要行;因为你在我眼前蒙了恩,并且我按你的名认识你。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
摩西说:「求你显出你的荣耀给我看。」
Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
耶和华说:「我要显我一切的恩慈,在你面前经过,宣告我的名。我要恩待谁就恩待谁;要怜悯谁就怜悯谁」;
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.
又说:「你不能看见我的面,因为人见我的面不能存活。」
Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
耶和华说:「看哪,在我这里有地方,你要站在磐石上。
Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao;
我的荣耀经过的时候,我必将你放在磐石穴中,用我的手遮掩你,等我过去,
koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
然后我要将我的手收回,你就得见我的背,却不得见我的面。」
Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.