Exodus 21

「你在百姓面前所要立的典章是这样:
Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
你若买希伯来人作奴仆,他必服事你六年;第七年他可以自由,白白地出去。
Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
他若孤身来就可以孤身去;他若有妻,他的妻就可以同他出去。
Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
他主人若给他妻子,妻子给他生了儿子或女儿,妻子和儿女要归主人,他要独自出去。
Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
倘或奴仆明说:『我爱我的主人和我的妻子儿女,不愿意自由出去。』
Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
他的主人就要带他到审判官(审判官或作: 神;下同)那里,又要带他到门前,靠近门框,用锥子穿他的耳朵,他就永远服事主人。
dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
「人若卖女儿作婢女,婢女不可像男仆那样出去。
Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
主人选定她归自己,若不喜欢她,就要许她赎身;主人既然用诡诈待她,就没有权柄卖给外邦人。
Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
主人若选定她给自己的儿子,就当待她如同女儿。
Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
若另娶一个,那女子的吃食、衣服,并好合的事,仍不可减少。
Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
若不向她行这三样,她就可以不用钱赎,白白地出去。」
Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
「打人以致打死的,必要把他治死。
Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
人若不是埋伏著杀人,乃是 神交在他手中,我就设下一个地方,他可以往那里逃跑。
fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.
人若任意用诡计杀了他的邻舍,就是逃到我的坛那里,也当捉去把他治死。
Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
「打父母的,必要把他治死。
Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
「拐带人口,或是把人卖了,或是留在他手下,必要把他治死。
Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
「咒骂父母的,必要把他治死。
Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
「人若彼此相争,这个用石头或是拳头打那个,尚且不至于死,不过躺卧在床,
Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
若再能起来扶杖而出,那打他的可算无罪;但要将他耽误的工夫用钱赔补,并要将他全然医好。
raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
「人若用棍子打奴仆或婢女,立时死在他的手下,他必要受刑。
Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
若过一两天才死,就可以不受刑,因为是用钱买的。
Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
「人若彼此争斗,伤害有孕的妇人,甚至坠胎,随后却无别害,那伤害她的,总要按妇人的丈夫所要的,照审判官所断的,受罚。
Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
若有别害,就要以命偿命,
Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao,
以眼还眼,以牙还牙,以手还手,以脚还脚,
maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,
以烙还烙,以伤还伤,以打还打。
may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
「人若打坏了他奴仆或是婢女的一只眼,就要因他的眼放他去得以自由。
Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevova­viny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
若打掉了他奴仆或是婢女的一个牙,就要因他的牙放他去得以自由。」
Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
「牛若触死男人或是女人,总要用石头打死那牛,却不可吃牠的肉;牛的主人可算无罪。
Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
倘若那牛素来是触人的,有人报告了牛主,他竟不把牛拴著,以致把男人或是女人触死,就要用石头打死那牛,牛主也必治死。
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
若罚他赎命的价银,他必照所罚的赎他的命。
Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy.
牛无论触了人的儿子或是女儿,必照这例办理。
Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
牛若触了奴仆或是婢女,必将银子三十舍客勒给他们的主人,也要用石头把牛打死。
Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
「人若敞著井口,或挖井不遮盖,有牛或驴掉在里头,
Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,
井主要拿钱赔还本主人,死牲畜要归自己。
dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
「这人的牛若伤了那人的牛,以至于死,他们要卖了活牛,平分价值,也要平分死牛。
Ary raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
人若知道这牛素来是触人的,主人竟不把牛拴著,他必要以牛还牛,死牛要归自己。」
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.