Exodus 10

耶和华对摩西说:「你进去见法老。我使他和他臣仆的心刚硬,为要在他们中间显我这些神迹,
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
并要叫你将我向埃及人所做的事,和在他们中间所行的神迹,传于你儿子和你孙子的耳中,好叫你们知道我是耶和华。」
ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
摩西、亚伦就进去见法老,对他说:「耶和华─希伯来人的 神这样说:『你在我面前不肯自卑要到几时呢?容我的百姓去,好事奉我。
Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
你若不肯容我的百姓去,明天我要使蝗虫进入你的境内,
Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
遮满地面,甚至看不见地,并且吃那冰雹所剩的和田间所长的一切树木。
dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
你的宫殿和你众臣仆的房屋,并一切埃及人的房屋,都要被蝗虫占满了;自从你祖宗和你祖宗的祖宗在世以来,直到今日,没有见过这样的灾。』」摩西就转身离开法老出去。
dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
法老的臣仆对法老说:「这人为我们的网罗要到几时呢?容这些人去事奉耶和华─他们的 神吧!埃及已经败坏了,你还不知道吗?」
Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
于是摩西、亚伦被召回来见法老;法老对他们说:「你们去事奉耶和华─你们的 神;但那要去的是谁呢?」
Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
摩西说:「我们要和我们老的少的、儿子女儿同去,且把羊群牛群一同带去,因为我们务要向耶和华守节。」
Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
法老对他们说:「我容你们和你们妇人孩子去的时候,耶和华与你们同在吧!你们要谨慎;因为有祸在你们眼前(或作:你们存著恶意),
Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
不可都去!你们这壮年人去事奉耶和华吧,因为这是你们所求的。」于是把他们从法老面前撵出去。
Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
耶和华对摩西说:「你向埃及地伸杖,使蝗虫到埃及地上来,吃地上一切的菜蔬,就是冰雹所剩的。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
摩西就向埃及地伸杖,那一昼一夜,耶和华使东风刮在埃及地上;到了早晨,东风把蝗虫刮了来。
Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
蝗虫上来,落在埃及的四境,甚是厉害;以前没有这样的,以后也必没有。
Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
因为这蝗虫遮满地面,甚至地都黑暗了,又吃地上一切的菜蔬和冰雹所剩树上的果子。埃及遍地,无论是树木,是田间的菜蔬,连一点青的也没有留下。
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
于是法老急忙召了摩西、亚伦来,说:「我得罪耶和华─你们的 神,又得罪了你们。
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
现在求你,只这一次,饶恕我的罪,求耶和华─你们的 神使我脱离这一次的死亡。」
Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
摩西就离开法老去求耶和华。
Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
耶和华转了极大的西风,把蝗虫刮起,吹入红海;在埃及的四境连一个也没有留下。
Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
但耶和华使法老的心刚硬,不容以色列人去。
Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
耶和华对摩西说:「你向天伸杖,使埃及地黑暗;这黑暗似乎摸得著。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
摩西向天伸杖,埃及遍地就乌黑了三天。
Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
三天之久,人不能相见,谁也不敢起来离开本处;惟有以色列人家中都有亮光。
koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
法老就召摩西来,说:「你们去事奉耶和华;只是你们的羊群牛群要留下;你们的妇人孩子可以和你们同去。」
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
摩西说:「你总要把祭物和燔祭牲交给我们,使我们可以祭祀耶和华─我们的 神。
Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
我们的牲畜也要带去,连一蹄也不留下;因为我们要从其中取出来,事奉耶和华─我们的 神。我们未到那里,还不知道用什么事奉耶和华。」
ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
但耶和华使法老的心刚硬,不肯容他们去。
Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
法老对摩西说:「你离开我去吧,你要小心,不要再见我的面!因为你见我面的那日你就必死!」
Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
摩西说:「你说得好!我必不再见你的面了。」
Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.