Esther 9

十二月,乃亚达月十三日,王的谕旨将要举行,就是犹大人的仇敌盼望辖制他们的日子,犹大人反倒辖制恨他们的人。
Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
犹大人在亚哈随鲁王各省的城里聚集,下手击杀那要害他们的人。无人能敌挡他们,因为各族都惧怕他们。
dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
各省的首领、总督、省长,和办理王事的人,因惧怕末底改,就都帮助犹大人。
Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
末底改在朝中为大,名声传遍各省,日渐昌盛。
Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
犹大人用刀击杀一切仇敌,任意杀灭恨他们的人。
Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
在书珊城,犹大人杀灭了五百人;
Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
又杀巴珊大他、达分、亚斯帕他、
ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
破拉他、亚大利雅、亚利大他、
sy Porata sy Adalia sy Aridata
帕玛斯他、亚利赛、亚利代、瓦耶撒他;
sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
这十人都是哈米大他的孙子、犹大人仇敌哈曼的儿子。犹大人却没有下手夺取财物。
izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
当日,将书珊城被杀的人数呈在王前。
Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
王对王后以斯帖说:「犹大人在书珊城杀灭了五百人,又杀了哈曼的十个儿子,在王的各省不知如何呢?现在你要什么,我必赐给你;你还求什么,也必为你成就。」
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
以斯帖说:「王若以为美,求你准书珊的犹大人,明日也照今日的旨意行,并将哈曼十个儿子的尸首挂在木架上。」
Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
王便允准如此行。旨意传在书珊,人就把哈曼十个儿子的尸首挂起来了。
Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
亚达月十四日,书珊的犹大人又聚集在书珊,杀了三百人,却没有下手夺取财物。
Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
在王各省其余的犹大人也都聚集保护性命,杀了恨他们的人七万五千,却没有下手夺取财物。这样,就脱离仇敌,得享平安。
Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
亚达月十三日,行了这事;十四日安息,以这日为设筵欢乐的日子。
tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
但书珊的犹大人,这十三日、十四日聚集杀戮仇敌;十五日安息,以这日为设筵欢乐的日子。
Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
所以住无城墙乡村的犹大人,如今都以亚达月十四日为设筵欢乐的吉日,彼此餽送礼物。
Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
末底改记录这事,写信与亚哈随鲁王各省远近所有的犹大人,
Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
嘱咐他们每年守亚达月十四、十五两日,
mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
以这月的两日为犹大人脱离仇敌得平安、转忧为喜、转悲为乐的吉日。在这两日设筵欢乐,彼此餽送礼物,赒济穷人。
dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
于是,犹大人按著末底改所写与他们的信,应承照初次所守的守为永例;
Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
是因犹大人的仇敌亚甲族哈米大他的儿子哈曼设谋杀害犹大人,掣普珥,就是掣籤,为要杀尽灭绝他们;
satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
这事报告于王,王便降旨使哈曼谋害犹大人的恶事归到他自己的头上,并吩咐把他和他的众子都挂在木架上。
fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
照著普珥的名字,犹大人就称这两日为「普珥日」。他们因这信上的话,又因所看见所遇见的事,
Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany
就应承自己与后裔,并归附他们的人,每年按时必守这两日,永远不废。
dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
各省各城、家家户户、世世代代纪念遵守这两日,使这「普珥日」在犹大人中不可废掉,在他们后裔中也不可忘记。
ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
亚比孩的女儿─王后以斯帖和犹大人末底改以全权写第二封信,坚嘱犹大人守这「普珥日」,
Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
用和平诚实话写信给亚哈随鲁王国中一百二十七省所有的犹大人,
Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
劝他们按时守这「普珥日」,禁食呼求,是照犹大人末底改和王后以斯帖所嘱咐的,也照犹大人为自己与后裔所应承的。
mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.
以斯帖命定守「普珥日」,这事也记录在书上。
Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.