Ephesians 6

你们作儿女的,要在主里听从父母,这是理所当然的。
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
要孝敬父母,使你得福,在世长寿。这是第一条带应许的诫命。
Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
a
mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
你们作父亲的,不要惹儿女的气,只要照著主的教训和警戒养育他们。
Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
你们作仆人的,要惧怕战兢,用诚实的心听从你们肉身的主人,好像听从基督一般。
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
不要只在眼前事奉,像是讨人喜欢的,要像基督的仆人,从心里遵行 神的旨意。
tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
甘心事奉,好像服事主,不像服事人。
amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
因为晓得各人所行的善事,不论是为奴的,是自主的,都必按所行的得主的赏赐。
satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
你们作主人的,待仆人也是一理,不要威吓他们。因为知道,他们和你们同有一位主在天上;他并不偏待人。
Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
我还有末了的话:你们要靠著主,倚赖他的大能大力作刚强的人。
Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
要穿戴 神所赐的全副军装,就能抵挡魔鬼的诡计。
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
因我们并不是与属血气的争战(原文作摔交;下同),乃是与那些执政的、掌权的、管辖这幽暗世界的,以及天空属灵气的恶魔争战。
Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
所以,要拿起 神所赐的全副军装,好在磨难的日子抵挡仇敌,并且成就了一切,还能站立得住。
Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
所以要站稳了,用真理当作带子束腰,用公义当作护心镜遮胸,
Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
又用平安的福音当作预备走路的鞋穿在脚上。
ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
此外,又拿著信德当作籐牌,可以灭尽那恶者一切的火箭;
ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
并戴上救恩的头盔,拿著圣灵的宝剑,就是 神的道;
Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
靠著圣灵,随时多方祷告祈求;并要在此儆醒不倦,为众圣徒祈求,
ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
也为我祈求,使我得著口才,能以放胆开口讲明福音的奥祕,
ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
我为这福音的奥祕作了带锁鍊的使者,并使我照著当尽的本分放胆讲论。
(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
今有所亲爱、忠心事奉主的兄弟推基古,他要把我的事情,并我的景况如何全告诉你们,叫你们知道。
Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
我特意打发他到你们那里去,好叫你们知道我们的光景,又叫他安慰你们的心。
izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
愿平安、仁爱、信心,从父 神和主耶稣基督归与弟兄们!
Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
并愿所有诚心爱我们主耶稣基督的人都蒙恩惠!
Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.