Ecclesiastes 8

谁如智慧人呢?谁知道事情的解释呢?人的智慧使他的脸发光,并使他脸上的暴气改变。
Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
我劝你遵守王的命令;既指 神起誓,理当如此。
Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
不要急躁离开王的面前,不要固执行恶,因为他凡事都随自己的心意而行。
Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
王的话本有权力,谁敢问他说「你做什么呢?」
fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
凡遵守命令的,必不经历祸患;智慧人的心能辨明时候和定理(原文是审判;下节同)。
Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
各样事务成就都有时候和定理,因为人的苦难重压在他身上。
fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
他不知道将来的事,因为将来如何,谁能告诉他呢?
Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
无人有权力掌管生命,将生命留住;也无人有权力掌管死期;这场争战,无人能免;邪恶也不能救那好行邪恶的人。
Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
这一切我都见过,也专心查考日光之下所做的一切事。有时这人管辖那人,令人受害。
Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
我见恶人埋葬,归入坟墓;又见行正直事的离开圣地,在城中被人忘记。这也是虚空。
Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
因为断定罪名不立刻施刑,所以世人满心作恶。
Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
罪人虽然作恶百次,倒享长久的年日;然而我准知道,敬畏 神的,就是在他面前敬畏的人,终久必得福乐。
Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
恶人却不得福乐,也不得长久的年日;这年日好像影儿,因他不敬畏 神。
Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.
世上有一件虚空的事,就是义人所遭遇的,反照恶人所行的;又有恶人所遭遇的,反照义人所行的。我说,这也是虚空。
Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
我就称讚快乐,原来人在日光之下,莫强如吃喝快乐;因为他在日光之下, 神赐他一生的年日,要从劳碌中,时常享受所得的。
Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
我专心求智慧,要看世上所做的事。(有昼夜不睡觉不合眼的。)
Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
我就看明 神一切的作为,知道人查不出日光之下所做的事;任凭他费多少力寻查,都查不出来,就是智慧人虽想知道,也是查不出来。
dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.