Ecclesiastes 7

名誉强如美好的膏油;人死的日子胜过人生的日子。
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
往遭丧的家去,强如往宴乐的家去;因为死是众人的结局,活人也必将这事放在心上。
Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
忧愁强如喜笑;因为面带愁容,终必使心喜乐。
Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
智慧人的心在遭丧之家;愚昧人的心在快乐之家。
Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
听智慧人的责备,强如听愚昧人的歌唱。
Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
愚昧人的笑声,好像锅下烧荆棘的爆声;这也是虚空。
Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
勒索使智慧人变为愚妄;贿赂能败坏人的慧心。
Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
事情的终局强如事情的起头;存心忍耐的,胜过居心骄傲的。
Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
你不要心里急躁恼怒,因为恼怒存在愚昧人的怀中。
Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
不要说:先前的日子强过如今的日子,是什么缘故呢?你这样问,不是出于智慧。
Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
智慧和产业并好,而且见天日的人得智慧更为有益。
Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
因为智慧护庇人,好像银钱护庇人一样。惟独智慧能保全智慧人的生命。这就是知识的益处。
Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
你要察看 神的作为;因 神使为曲的,谁能变为直呢?
Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
遇亨通的日子你当喜乐;遭患难的日子你当思想;因为 神使这两样并列,为的是叫人查不出身后有什么事。
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
有义人行义,反致灭亡;有恶人行恶,倒享长寿。这都是我在虚度之日中所见过的。
Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
不要行义过分,也不要过于自逞智慧,何必自取败亡呢?
Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
不要行恶过分,也不要为人愚昧,何必不到期而死呢?
Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
你持守这个为美,那个也不要松手;因为敬畏 神的人,必从这两样出来。
Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
智慧使有智慧的人比城中十个官长更有能力。
Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
时常行善而不犯罪的义人,世上实在没有。
Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
人所说的一切话,你不要放在心上,恐怕听见你的仆人咒诅你。
Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
因为你心里知道,自己也曾屡次咒诅别人。
fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
我曾用智慧试验这一切事;我说,要得智慧,智慧却离我远。
Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
万事之理,离我甚远,而且最深,谁能测透呢?
Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
我转念,一心要知道,要考察,要寻求智慧和万事的理由;又要知道邪恶为愚昧,愚昧为狂妄。
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
我得知有等妇人比死还苦:她的心是网罗,手是锁鍊。凡蒙 神喜悦的人必能躲避她;有罪的人却被她缠住了。
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
传道者说:「看哪,一千男子中,我找到一个正直人,但众女子中,没有找到一个。」我将这事一一比较,要寻求其理,我心仍要寻找,却未曾找到。
Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
并入27节
Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
我所找到的只有一件,就是 神造人原是正直,但他们寻出许多巧计。
Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.